Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo

Daty
Alarobia 22 October 2025

JEHÔVAH HIADY HO ANAREO

Araka ny voalaza ao amin'ny Eks. 14:13,14,25, inona no drafitr Andriamanitra sy ny idealiny tany am-boalohany mikasika ny fandraisan'ny Isiraelita anjara tamin'ny ady?

Tao anatin'io fotoan-tsarotra io, rehefa latsaka an-katerena ny vahoaka Isiraely ka tsy afaka nandroso na nihemotra, dia «hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanóna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehôvah , izay hataony ho anareo anio, fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehôvah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina. Eks. 14:13,14. Araka ny fitantaran'ny Baiboly, na ny Egyptianina aza dia nahatakatra izany zava-misy izany ka loa-bolana hoe: "Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehôvah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo." - Eks. 14:25.

Nanjary sary miverimberina teo amin'ny tantaran'ny Isiraelita ny fidiran Andriamanitra an-tsehatra amin'ny fomba mahagaga ho azy ireo, izay sady tsy nanan-kery no tsy mahay miady. Ny fomba nanafahan Andriamanitra ny Isiraely tamin'ny fanandevozana tao Egypta no nanjary ohatra. Jehovah ihany no miady eto, fa ny Isiraely kosa nasaina nangina fotsiny (Eks. 14:14). Andriamanitra no Ilay Mpiady mahery; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra. Izy no mamolavola ny paikady, mamaritra ny fomba atao, ary mitarika ny fanafihana. Raha tsy i Jehôvah no miady ho an'ny Isiraely, dia tsy afaka ny hahomby velively izy ireo.

Toy izao no anazavan'i Ellen G. White izany: tsy drafitr’Andriamanitra ny hahazoan'izy ireo ny Tany Nampanantenaina amin'ny alalan'ny ady, fa amin'ny alalan'ny fanekena sy ny fankatoavana tanteraka ny didiny» - ST, 2 Septambra 1880. Tahaka ny nanafahany azy ireo tany Egypta dia Andriamanitra no hiady ho azy ireo. Ny hany anjaran'izy ireo dia ny mijoro tsara sy ny manatri-maso ny fidirany an-tsehatra amin-kery.

Hita porofo eo amin'ny tantara fa tsy nilain'ny Isíraelita ny niady rehefa ampy ny fitokiany tamin'Andriamanitra, (jereo ny 2 Mpanj. 19; 2 Tant. 32; Isa. 37).

Raha ny drafitr'Andriamanitra sy ny idealiny, dia tsy nila niady ho an'ny tenany mihitsy ny Isiraely. Vokatry ny tsy finoan'izy ireo, izay niseho taorian'ny Eksodosy, no nahatonga an'Andriamanitra namela azy ireo handray anjara tamin'ny ady natao tamin'ny Kananita. Tahaka ny tsy nilan'izy ireo namoaka sabatra na iray aza tamin'ny Egyptianina nandritra ny fanafahana azy tamin'ny fanandevozana, dia tsy ho nila niady mihitsy izy ireo mba hahazoana an'ı Kanana (Deo. 7:17-19).

"Raha tsy nimonomonona tamin'i Jehôvah ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho navelany hiady taminy ny fahavalony.»-TF. 1. 134. Mety hisy fiantraikany eo amin'ny fiainantsika ankehitriny ny fimonomononana; amin'ny fomba ahoana?"

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal