Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 18 January 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Sal. 103:13; Isa. 49:15; Hos. 11:1-9; Mat. 23:37; 2 Kôr. 11:2; 1 Kôr. 13:4-8.

Tsianjery: "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." - Isa. 49:15

Matetika no ratsy ny fahitan'ny olona ny fihetsehampo ary heveriny fa tokony hohalavirina ireny. Tsy araka ny lôjika ny fiheveran'ny olona sasany ny fihetsehampo ka tsy tokony ho "olon'ny fo" ny lehilahy na ny vehivavy mendrika. Teo amin'ny filozôfia grika tranainy sasany, dia noderaina ho môdely ny "olon'ny saina" izay tsy mora andairan'ny fihetsehampo mirehitra na koa mahafehy ireo fihetsehampony amin'ny fampiasana ny fisainana.

Mety hiteraka olana tokoa ny fihetsehampo tsy voafehy. Noforonin' Andriamanitra niaraka tamin'ny fahafahana manana fihetsehampo anefa ny olona, ary Andriamanitra koa aza dia aseho manerana ny Soratra Masina fa naneho fihetsehampo lalina. Raha maneho fihetsehampo lalina Andriamanitra, araka izay asehon'ny Baiboly mandrakariva, dia tsy azo lazaina ho ratsy na tsy araka ny fahendrena ny fihetsehampo - satria sady tanteraka amin'ny fahatsarana ilay Andriamanitry ny Baiboly no manana fahendrena tonga lafatra.

Raha ny marina, misy fahamarinana mahafinaritra azo tsoahina ao amin'ny fahatsapana fa fitiavana araka ny fihetsehampo lalina no itiavan'Andriamanitra antsika. Tsara anefa ny mahatsiaro mandrakariva fa na dia tonga lafatra aza ny fitiavan'Andriamanitra (na araka ny fihetsehampo izany na tsia), dia tsy azo ampitovina amin'ny fihetsehampo tsapan'ny olombelona izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal