Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 18 January 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Sal. 103:13; Isa. 49:15; Hos. 11:1-9; Mat. 23:37; 2 Kôr. 11:2; 1 Kôr. 13:4-8.

Tsianjery: "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." - Isa. 49:15

Matetika no ratsy ny fahitan'ny olona ny fihetsehampo ary heveriny fa tokony hohalavirina ireny. Tsy araka ny lôjika ny fiheveran'ny olona sasany ny fihetsehampo ka tsy tokony ho "olon'ny fo" ny lehilahy na ny vehivavy mendrika. Teo amin'ny filozôfia grika tranainy sasany, dia noderaina ho môdely ny "olon'ny saina" izay tsy mora andairan'ny fihetsehampo mirehitra na koa mahafehy ireo fihetsehampony amin'ny fampiasana ny fisainana.

Mety hiteraka olana tokoa ny fihetsehampo tsy voafehy. Noforonin' Andriamanitra niaraka tamin'ny fahafahana manana fihetsehampo anefa ny olona, ary Andriamanitra koa aza dia aseho manerana ny Soratra Masina fa naneho fihetsehampo lalina. Raha maneho fihetsehampo lalina Andriamanitra, araka izay asehon'ny Baiboly mandrakariva, dia tsy azo lazaina ho ratsy na tsy araka ny fahendrena ny fihetsehampo - satria sady tanteraka amin'ny fahatsarana ilay Andriamanitry ny Baiboly no manana fahendrena tonga lafatra.

Raha ny marina, misy fahamarinana mahafinaritra azo tsoahina ao amin'ny fahatsapana fa fitiavana araka ny fihetsehampo lalina no itiavan'Andriamanitra antsika. Tsara anefa ny mahatsiaro mandrakariva fa na dia tonga lafatra aza ny fitiavan'Andriamanitra (na araka ny fihetsehampo izany na tsia), dia tsy azo ampitovina amin'ny fihetsehampo tsapan'ny olombelona izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal