Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 18 April 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fit. 3:22,23, 2 Tim. 3:15-17: Jao. 17:17, Efes. 1:13, Sal. 119:11:1 Kor. 2:14.

Tsianjery

"Fa velona sy mahery ny tenin ‘Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo- Heb. 4:12.

Ny Baiboly. Tsy isalasalana fa manana iray ianao, na angamba maromaro. Teo amin'ny tantara, ity boky sarobidy ity dia nadika tany amin'ny miafina, nampidirina an-tsokosoko, ary norarana. Izy no boky natonta betsaka indrindra eran-tany, amin'ny fiteny rehetra, ary anisan'ny tranainy indrindra koa. Nisy ireo namoy ny ainy ha fiarovana ny Baiboly.

Aiza no toerana misy ny Baiboly eo amin'ny fiainanao? Vakinao ve izany sa mipetraka eo an-doham-pandrianao na eo amin'ny fitoeram-boky manangom-bovoka fotsiny? Be erehina loatra ve ianao eo amin'ny fiainana ka tsy mahita fotoana handalinana marina ny Tenin'Andriamanitra sa mahatsiaro ho reraka loatra ka tsy mahavita manokatra ny pejiny? Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ary miantso anao Andriamanitra mba hamela izany hiteny amin'ny fonao, hampahery anao, hanitsy sy hanova anao. ary hitari-dalana sy hanome anao fanantenana.

Ny Baiboly dia tsy boky fianarana na boky mirakitra tantara fahiny fotsiny. Manambara amin'ny fomba kanto sy lalina kosa izany ny amin'ny fiezahan'llay Mpahary izao rehetra izao hitaona antsika hanakalky Azy. Raha manam-paniriana hitombo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra ianao, ny zavatra tsara indrindra azonao atao dia ny manokana fotoana iarahana Aminy isan'andro amin'ny alalan'ny vavaka, ny famakiana ny teniny masina, sy ny fampileferanao ny sitraponao hifanaraka amin’izay ampianariny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 25 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal