Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fanazavana ny jentilisa.

Daty
Alakamisy 24 April 2025

Ny tanjona voalohany nanorenan'Andriamanitra ny firenena Isiraely dia tsy ny hanameloka izao tontolo izao, fa ny hamonjy azy. Hita mazava fa mahatsiaro meloka ny ankamaroantsika rehefa manoloana olona iray maneho fitondran-tena marina; ary ny fisian'ny Isiraely koa dia natao hanasongadinana ny fahotana sy ny fitiavan-tenan'ny firenena manodidina azy. Mpampiharihary ny toetra marin'Andriamanitra ny mpino izay manana fiainana mifandrindra amin'Andriamanitra, ka manjary fananarana ho an'ny hafa. Tokony hampiseho ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" - Apôk. 14:12; izany no tsara indrindra.

Raha nanao araka ny tokony ho nataony sy nasaina nataony ny Isiraelita, dia ho nanatona azy tamim-pihavanana ny firenen-kafa, ka ho nitady hahafantatra misimisy kokoa momba azy ireo sy ny Andriamaniny. Indrisy anefa, araka ny asehon'ny fahababoana tany Babilona, fa tonga nanafika azy kosa ireo firenena ireo.

I Jesôsy no fanehoana faratampony ny toetran'Andriamanitra, mazava loatra - Ilay hany olombelona naneho izany tamin'ny fomba tonga lafatra. Azo antoka fa voaheloka ny fon'ny olona teo anatrehan'ny ohatra lavorary nasehony, kanefa natao ho fanasana azy ireo izany (jereo ny Jao. 3:16-21).

Tahaka ny tanjon'Andriamanitra faratampony tamin'ny nanorenany ny firenena Isiraely ihany no tanjony tamin'ny nanorenany ny fiangonana: iriny fatratra ny hampiasa ny vahoakany hitaomana ny mpanota ho eo amin'i Kristy. Tsy ho an'ny olom-bitsy voafantina ihany ny hafatr'ireo anjely telo izay natao hotorin'ny fiangonany, fa natao "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk. 14:6. Voalaza mialoha ao amin'ny Apôk. 18:1 fa hohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra ny tany rehetra alohan'ny fiverenan'i Kristy.

Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka ireto antsika momba ny fikasan’Andriamanitra ho asan'ny vahoakany eto amin'Izao tontolo izao? Ahoana no hampiharantsika ireo foto-kevitra ireo amin'ny tenantsika manokana?

Nom. 14:17-21 …………………………………………………………………………………………..

Isa. 42:6, Isa. 49:6, Isa. 60:3 ……………………………………………………………………….

Apôk. 18:1-4 ……..………………………………………………………………………………………

Vakio indray ny Apôk. 18:1-4, izay antso miantefa amin'ny olon'Andriamanitra, mba hlalany ao Babilona. Ahoana no hahatanteraka izany? Izany hoe, ahoana no ahafahan'Andriamanitra mamplasa antsika, amin'ny maha-fiangonana fa tsy Babilona antsika, hiantsoana Ireo olon'Andriamanitra mbola ao Babilona, mba hlala ao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal