Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:12-30; Rom. 3:23,24; Rom. 5:8; 2 Tim. 4:6; 1 Kôr. 4:17; 2 Tim. 4:21, 13; Lio. 7:2.

Tsianjery "Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." — Fil. 2:14,15. 

Nasain'Andriamanitra nankato ny Hebreo satria ny fankatoavana "no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalana rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona henthy sy manan-tsaina tokoa io firenena io" hoy Izy — Deo. 4:6.

 Hoy i Jesôsy taonjato maro taty aoriana: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina."— Jao. 8:12. Hoy koa lzy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." — Mat. 5:14. Ahoana no hahatonga antsika ho fahazavana toy izany? Amin'ny alalan'ny fifandraisana ety amin'i Jesôsy ihany, llay "tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao."— Jao. 1:9. Araka ny voalazan'ny Fil. 2: "izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesôsy no handohalehan'ny lohalika rehetra, (...) sy haneken'ny lela rehetra fa Jesôsy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray"- Fil. 2:9-11.

Azontsika rehetra izay nanolo-tena ho an'i Jesôsy atao ny manana ny fahazavana sy ny hery avy any an-danitra. Kanefa matetika loatra isika no miandry an'Andriamanitra hanao ny zava-drehetra, na koa ny hevitsika sy ny drafitsika no manakantsakana izany. Izany no mahatonga ny tenin'i Paoly ho an'ny Filipianina ho manan-danja tokoa ankehitriny. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal