Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Manome alahelo azy ny faharatsiana

Daty
Alahady 26 January 2025

Tia ny marina ary mankahala ny ratsy Ilay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Koa manetsika lalina ny fihetseham-pony ny fahotana sy ny faharatsiana izay mampahory sy mampijaly ny olona, eny, na dia rehefa ny ratsy ataon'ny olona ihany aza no mahavoa azy. Halan'Andriamanitra ny ratsy satria mampahory ny voariny mandrakariva izany. Araka ny tantara ao amin'ny Baiboly dia mihantsy matetika ny fahatezeran Andriamanitra ilay antsoin'ireo mpandinika ny Baiboly hoe: "fitsingerin'ny fikomiana" ("cycle of rebellion"). Toy izao manaraka izao izany fitsingerin'ny fikomiana izany:

Mikomy amin'Andriamanitra ny olona ary manao ratsy, indraindray aza zava-doza mahatsiravina no ataony, toy ny fanaovana sorona zazakely sy fahavetavetana hafa koa eo imasony.

Miala Andriamanitra arakaraka ny fanapahan-kevitry ny vahoaka.

Ampahorin'ny firenen-kafa ny vahoaka.

Mitalaho fanafahana amin'Andriamanitra ny vahoaka.

Mamonjy azy ireo amim-pitiavana Andriamanitra.

Mikomy amin'Andriamanitra indray ny vahoaka, ary amin'ny fomba sahisahy kokoa noho ny teo aloha aza.

Eo anatrehan'ny fiverimberenan'izany faharatsiana sy tsy fahatokiana miharihary izany anefa dia fahatokiana, fahari-po sy faharetana tsy misy fetra, fahasoavana mahatalanjona, ary fangorahana lalina, no asetrin'Andriamanitra ny tsy fahatokian'ny olombelona.

Vakio ny Sal. 78. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny fihetsik'Andriamanitra eo anatrehan'ny fikomiana miverimberina ataon'ny vahoakany?

Mifamatotra ny fitiavana sy ny fahamarinana, araka ny Baiboly. Mitombina ny fahatezeran Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana satria mampijaly mandrakariva ireo izay tian'Andriamanitra izany. Tsy hita velively ao amin'ny Baiboly izany hoe Andriamanitra tezitezi-poana na tsy an-drariny izany.

Na nandao sy niodina Taminy matetika aza ny vahoakany, dia mbola nangoraka azy ireo hatrany tamin'ny fahari-po Andriamanitra, mihoatra lavitra noho izay rehetra azony antenaina aza (Neh. 9:7-33). Maneho ny halalin'ny fitiavan'Andriamanitra be famindrampo sy ny fiantrany ny olona amim-paharetana tsy takatry ny saina izany. Izany indrindra no voalaza ao amin'ny Sal. 78:38 hoe: "Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany."

Azo antoka fa efa tezitra noho ny hasomparana atao amin'ny hafa ianao. Ahoana no anampian'izany fihetsehamponao izany anao hahatakatra mazava kokoa ny fahatezeran' Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal