Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - " Tompoko omeo izany rano izany aho "

Daty
Talata 29 October 2024

"Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy." - Ezek. 36:25-27.

Ahoana no anehoan'ny Ezek. 36:25-27 ireo fahamarinana izay tian'i Jesôsy hampahafantarina an'i Nikôdemosy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana?

Tao anatin'ireo toe-javatra roa ireo, dia nitady izay fomba hanatrarana ireo olona ireo tamin'ny fahamarinana ara-panahy i Jesôsy, na dia sary an'ohatra avy tamin'ny zava-misy teo amin'ny fiainana andavanandro aza no nampiasainy tamin'izany.

Samy tsy nahatakatra izay tian'i Jesôsy hambara izy roa ireo; azo antoka izany tamin'ny voalohany. Nanontany i Nikôdemosy ny amin'ny fomba hahafahan'ny olona iray hateraka indray, 'zany hoe, ahoana no hiverenany ao an-kibon-dreniny? Hita mazava fa nisaina araka an'izao tontolo izao sy araka ny tany i Nikôdemosy, na dia fahamarinana ara-panahy aza no notondroin'i Jesôsy mazava mba hifantohany. Ilay vehivavy koa dia nandray ara-bakiteny ny tenin'i Jesôsy mikasika ny rano kanefa zavatra ara-panahy no noresahin'i Jesôsy taminy.

Izao no navaliny teo anatrehan'ny fanomezan'i Jesôsy azy ny rano velona: "Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony." - Jao. 4:15. Noheveriny fa hampitsahatra ny dia lavitra fanaony mba hantsaka ny rano izay omen'i Jesôsy, ka hampihena ny mety ho fifanenany amin'ny olona. Mahagaga tokoa ny niovan'ny resaka, avy amin'ny fangatahan'i Jesôsy rano hosotroina ho amin'ny fangatahan'ilay vehivavy rano taminy.

Vakio ny Jao. 4:16. Inona ny navalin'i Jesôsy ny fangatahan'ilay vehivavy?

Tampoka teo dia novan'i Jesôsy ny anton-dresaka ka nilazany ravehivavy mba hiantso ny vadiny ary hiverina eo Aminy. Inona no anton'izany fiovan'ny anton-dresaka tampoka izany? Nitory fiafinafenana ny fihetsik'ilay vehivavy kanefa hitan'i Jesôsy ny tao am-pony. Tsy maintsy atrehiny ny toe-javatra iainany mba hahitany fahasitranana. "Alohan'ny ahazoan'ity fanahy ity mandray ny fanomezana izay iriny atosaka aminy, dia tsy maintsy tarihina izy hanaiky ny fahotany sy hanaiky ny famonjeny." - IFM,  t. 137. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal