Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra

Daty
Alahady 27 April 2025

Ny saha Edena no sekoly nianaran'ny olombelona voalohany, dia toerana izay nahazoan'izy ireo sy ny taranany nanitatra tsy nisy farany ny fahalalany momba ny Mpahary, tamin'ny alalan'ny zavaboary. "Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy Eva," hoy i Ellen G. White manazava, "fa mpianany koa ". Nandray lesona avy tamin'llay Fahendrena tsy hita lany izy (...) tamin'llay Mpamorona azy koa. (...) Ny zava-miafin'izao rehetra ary izao hita maso, 'dia ny fahagagana ataon'llay tanteraka amin'ny fahalalana' - Jôba 37:16, no fototry ny fianarany sy ny fifaliany." -PM, tt. 26,27.

Vakio ny Gen. 2:9-17. Inona ilay didy voalohany, izay fandrarana, nomen'Andriamanitra ny olombelona? Ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany?

Ao amin'ny Gen. 2:16 no ahitana voalohany ilay matoanteny fototeny hoe tswh, izay ao anatin'ny hoe "nandidy"; teo no nandrarana ny olona tsy hihinana amin'ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Mety ho voarara koa ve izany ny fahalalana sasany? Amin'ny fomba ahoana? Tsy tokony hahasoa mandrakariva ve ny mitombo fanandramana sy fahalalana?

Raha ny Soratra Masina dia tsia ny valiny: fikasan'Andriamanitra ny hampianatra zava-dalina ny olony kanefa ny hiaro azy amin'ny fahoriana koa izay mety hateraky ny fahalalana ny zavatra sasantsasany, toy izay hitranga any aoriana rehefa ho aleon'ny olona olombelona mitovy aminy ihany no manapaka azy fa tsy ny Tompo.

Arivo taona maro taty aoriana, rehefa nangataka mpanjaka ny Isiraely, dia nasehon Andriamanitra azy izay ho vokany (araka ny efa hitantsika tamin'ny herinandro lasa), ary nampahafantariny ny vahoakany fa haharitra hatramin'ny andro farany ny fanapahan-kevitr'izy ireo hiala tsy ho eo ambany fahefan'ny Tompo mivantana.

Rehefa niharatsy fanahy hatrany ireo mpanjakan'ny Isiraely dia nanjary nanana toetra araka izao tontolo izao koa ny vahoakan'ny faneken'Andriamanitra, ka mainka nanalavitra ny tanjony, hany ka mihoatra noho izay notadiaviny no nomena azy, dia fitondram-panjakan'olombelona.

Mety hanampy antsika ny fandinihana ny bokin'i Daniela ao anatin'io tontolon-kevitra io: tsy fanamelohana fotsiny ireo "firenena" ny Jentilisa no asehon'ny fahitana ao amin'io boky io, izay ahitana ny fifandimbiasan'ny fanjakana, fa fanamelohana ny Isiraely noho ny tsy fahombiazany koa, noho ny fandavany tsy hankato ny mitswot (didy). Fahandevozana mandritra ny taonjato maro, fa tsy toy ilay fahafahana nomena voalohany tao Edena, no manjary fianarana hahafahan'izay manana fo vonon-kianatra mahita ny fifanoherana lehibe eo amin'ny fanjakan'izao tontolo izao sy ny fanjakan'Andriamanitra.

Saino ny amin'ireo karazam-pahalalana, na dia ankehitriny aza, izay tsara ho an'ny ankamaroantsika ny tsy mahazo izany mihitsy. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny amin'ilay fandrarana tao Edena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal