Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra

Daty
Alahady 27 April 2025

Ny saha Edena no sekoly nianaran'ny olombelona voalohany, dia toerana izay nahazoan'izy ireo sy ny taranany nanitatra tsy nisy farany ny fahalalany momba ny Mpahary, tamin'ny alalan'ny zavaboary. "Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy Eva," hoy i Ellen G. White manazava, "fa mpianany koa ". Nandray lesona avy tamin'llay Fahendrena tsy hita lany izy (...) tamin'llay Mpamorona azy koa. (...) Ny zava-miafin'izao rehetra ary izao hita maso, 'dia ny fahagagana ataon'llay tanteraka amin'ny fahalalana' - Jôba 37:16, no fototry ny fianarany sy ny fifaliany." -PM, tt. 26,27.

Vakio ny Gen. 2:9-17. Inona ilay didy voalohany, izay fandrarana, nomen'Andriamanitra ny olombelona? Ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany?

Ao amin'ny Gen. 2:16 no ahitana voalohany ilay matoanteny fototeny hoe tswh, izay ao anatin'ny hoe "nandidy"; teo no nandrarana ny olona tsy hihinana amin'ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Mety ho voarara koa ve izany ny fahalalana sasany? Amin'ny fomba ahoana? Tsy tokony hahasoa mandrakariva ve ny mitombo fanandramana sy fahalalana?

Raha ny Soratra Masina dia tsia ny valiny: fikasan'Andriamanitra ny hampianatra zava-dalina ny olony kanefa ny hiaro azy amin'ny fahoriana koa izay mety hateraky ny fahalalana ny zavatra sasantsasany, toy izay hitranga any aoriana rehefa ho aleon'ny olona olombelona mitovy aminy ihany no manapaka azy fa tsy ny Tompo.

Arivo taona maro taty aoriana, rehefa nangataka mpanjaka ny Isiraely, dia nasehon Andriamanitra azy izay ho vokany (araka ny efa hitantsika tamin'ny herinandro lasa), ary nampahafantariny ny vahoakany fa haharitra hatramin'ny andro farany ny fanapahan-kevitr'izy ireo hiala tsy ho eo ambany fahefan'ny Tompo mivantana.

Rehefa niharatsy fanahy hatrany ireo mpanjakan'ny Isiraely dia nanjary nanana toetra araka izao tontolo izao koa ny vahoakan'ny faneken'Andriamanitra, ka mainka nanalavitra ny tanjony, hany ka mihoatra noho izay notadiaviny no nomena azy, dia fitondram-panjakan'olombelona.

Mety hanampy antsika ny fandinihana ny bokin'i Daniela ao anatin'io tontolon-kevitra io: tsy fanamelohana fotsiny ireo "firenena" ny Jentilisa no asehon'ny fahitana ao amin'io boky io, izay ahitana ny fifandimbiasan'ny fanjakana, fa fanamelohana ny Isiraely noho ny tsy fahombiazany koa, noho ny fandavany tsy hankato ny mitswot (didy). Fahandevozana mandritra ny taonjato maro, fa tsy toy ilay fahafahana nomena voalohany tao Edena, no manjary fianarana hahafahan'izay manana fo vonon-kianatra mahita ny fifanoherana lehibe eo amin'ny fanjakan'izao tontolo izao sy ny fanjakan'Andriamanitra.

Saino ny amin'ireo karazam-pahalalana, na dia ankehitriny aza, izay tsara ho an'ny ankamaroantsika ny tsy mahazo izany mihitsy. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny amin'ilay fandrarana tao Edena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal