Ny tanjona kendren'ny fandinihana ny Baiboly dia ny hahalala an'Andriamanitra sy ny hitombo ao amin'ny fifandraisana Aminy, satria izany no fiainana mandrakizay — ny fiarahana mandra kizay amin'ilay Andriamanitra tiantsika (Jao. 5:39; Jao. 17:3).
Ny fifandraisana rehetra dia mitaky fitia mifamaly. Hitantsika ao amin'ny Apôk. 3:20 fa maniry ny hanana izany fifandraisana izany miaraka amintsika i Jesôsy , ary tokony ho tsapantsika fa amin'ny maha voariny antsika dia azontsika atao mandrakariva ny mianatra bebe kokoa momba Ilay Mpahary antsika. Toy ny fikatsahan'ny mpitrandraka vato sarobidy no tokony handalinantsika tsy tapaka ny Baiboly. Misy mandrakariva ny lesona azo tsoahina, na dia imbetsaka aza no efa namakiantsika ny tantara na ny andalan-tSoratra Masina sasany. "Na inona na inona fandrosoan'ny fahalalan'ny olona, dia aoka izy tsy hisaina na dia kely monja aza fa tsy ilainy ny handalina tsy tapaka ny Soratra Masina mba hananany fahazavana lehibe kokoa. Amin'ny maha vahoakan'Andriamanitra antsika, dia asaina mandinika ny faminaniana ny tsirairay avy amintsika." - Ellen G. White, Counsels to Writers and Editors, t. 41.
Zavatra tsy azontsika atao koa ny manery ny Baiboly hifanaraka amin'ny hevitra na ny fisainana maha olona antsika. "Ahoana ary ny fomba tokony handinihantsika ny Soratra Masina? Moa ve isika hanorina foto-pampianarana tsirairay ary avy eo hanao izay hampifandraisana ny Soratra Masina rehetra amin'ny hevitsika manokana? Sa isika hitondra ny hevitsika sy ny fomba fijerintsika hilefitra eo anatrehan'ny Soratra Masina ka hampitaha ny fampianarantsika amin'ny fahamarinany? Maro ireo mamaky na koa mampianatra ny Baiboly mihitsy aza nefa tsy mahatakatra ireo fahamarinana sarobidy ampianariny na dinihiny. (...) Maro no manazava ny tenin'ny Soratra Masina araka ny heviny manokana sy izay tiany hilazana izany." - Ellen G. White, Counsels to Writers and Editors, t. 36.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. lnona no toe-tsaina ao aminao matetika rehefa mamaky ny Baiboly ianao? Misy zavatra tokony hovana ve? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fileferana amin'ny Tenin'Andriamanitra?
2. Misy ve ny hevitra mibahana mialoha tokony hailikao mba hahafahan'ny Soratra Masina miteny ho azy? Raha eny, ahoana no hanombohanao mivavaka momba izany izao?
3. Mety ho sakana ho an'ny fifandraisan'ny olona iray amin'Andriamanitra ny fitadiavany zavatra na hevitra vaovao; amin'ny fomba ahoana? Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahoana no mahatonga ny faniriana hahita zava-baovao sy miala amin'ny mahazatra hitarika ny olona iray ho amin'ny lalan-diso, indrindra raha ataony ho an'ny tombontsoan'ny tenany manokana izany?