Maro ny fomba ahafahantsika mianatra ny Baiboly. toy ny fandinihana andininy tsirairay (efa voaresaka etsy ambony), ny fandalinana toko iray na lohahevitra iray, ny fandinihana teny iray na boky iray. Azontsika atao ny mandalina konkordansa na koa ny rakibolana momba ny Baiboly, ary azo atao ny mamaky Baiboly miaraka amin'ireo boky fanahin'ny faminaniana ho fanampin-kevitra. Azo atao koa ny mivoaka eny anivon'ny zavaboary ary mihaino ny Baiboly vakina, na koa mihaona amin'ny namana na vondrona kely mba hiara-mianatra Baiboly. Ho fihazonantsika ny fisakaizantsika amin'ny hafa ho velona dia manao hetsika samihafa sy zava-baovao isika. Tahaka izany koa no tokony hihazonantsika ny fotoana ifanaovantsika amin'Andriamanitra isan'andro ho vaovao sy velona tsara amin'ny aialan'ny fomba samihafa andinihana ny Baiboly. Maro mandrakariva ny lesona azontsika ianarana ao!
Zavatra iray mety hamelombelona fly fotoana fianaranao Baiboly nyfizarana amin'ny hafa ny lesona voarainao. Rehefa hazavainao izay nianaranao, dia mampitoetra izany ao an-tsaina ny famintinanao sy ny fandravonana azy. (zany no manampy antsika hitadidy ny fahalalana. Ny fitahiana roa sosona dia ny fizarantsika amin'ny hafa sy ny fifanakalozantsika hevitra aminy; hanentana sy hampahery anareo roa tonta ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny zava-panahy. Matetika amin'ny fizarana amin'ny hafa na ny fampianarana azy no ahafahan'ny saintsika mandalin-javatra indrindra. Ho hitanao koa fa ny zavatra ianaranao isan'andro dia tsy hafatr'Andriamanitra ho anao irery fa ho an'ny hafa koa. Vakio ny Isa. 50:4, Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika momba ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa? Ny fotoana manokana ianarantsika Baiboly dia tsy mampahatanjaka antsika fotsiny fa manampy antsika koa hampahery ny olona izay mifanena amintsika mandritra ny tontolo andro. Mety ho fitahiana roa sosona izany. Hazakazaka lavitra ezaka ny fiainantsika ara-panahy. Angataho ny Tompo hanampy anao haharitra eo am-pihazakazahana, ka hibanjina ny marika hotratrarina ny masonao (Fil. 3:14). Aza kivy raha somary nitaredretra nandritra ny fotoana fohy ianao, fa ataovy izay fanovana tokony hatao eo amin'ny fiainanao mba hihazonana ny fifandraisanao ho velona, indrindra indrindra ny fotoana manokana ianaranao Baiboly sy ivavahanao. Fa ny fiainana mandrakizay dia ny hahafantarantsika an'Andriamanitra izao ankehitriny izao (Jao. 17:3). Manova fiainana ny fanolorantsika tena isan'andro mba hitoetra ao Aminy sy ao amin'ny Teniny. Vakio ny tsianjery amin'ity herinandro ity ary diniho ny heviny. Inona no ianaranao amin'izao fotoana izao? Iza no azonao izarana izany?
Daty
Alarobia 29 April 2026