Efa nisy fotoana ve nanomananao ny famohamandrinao mba haneno maraindraina kokoa, hahafahanao mifoha hamaky Baiboly? Efa nisy fotoana ye nampalain-kihetsika anao teo am-pandriana, kanjo nijery ny famantaranandro ianao ary nieritreritra hoe: fahefakadiny no ananako hiomanana, tsy tokony hitaredretra aho! Efa nisy fotoana ve nanaovanao vavaka fohy dia fohy na nanaovanao topy maso monja ny toko iray ao amin'ny Baiboly, ka ny fieritreretanao fotsiny no tony fa ny fonao kosa tsy afa-po, noho ny fikoropahana hiatrika ny tontolo andro?
"Nefa raha atao an-kamehana ny famakiana ny Soratra Masina, dia kely foana ny soa azo amin'izany. Angamba misy olona mahavaky ny Baiboly manontolo, nefa tsy mahita ny hatsarany, na mahalala ny heviny lalina sady miafina." - DHK, t. 103.
Na dia misy tokoa aza ny fitahiana avy amin'ny famakiana ny Baiboly — toy ny misotro amin'irony paompy lehibe mpamahan-drano ny fiaran'ny mpamono afo irony (izay sady mamoaka rano be no haingana)—dia mety hamaky ny Baiboly amin'ny fomba haingana ny olona saingy tsy hahazo ireo hevi-dehibe voarakitra ao. Nomen'Andriamanitra antsika ny Teny sarobidy avy amin'ny tsindrimandriny mba hahatongavantsika amin'ny fahafantarana Azy bebe kokoa (ary amin'izany dia manjary mahafantatra ny tenantsika koa isika). Rehefa manokana fotoana isika hijerena momba ny toetran'Andriamanitra tsy hay faritana sy mahafinaritra, ary koa ijerena ny fomba ifandraisany amin'ny taranak'olombelona manerana ny tantara, dia azo antoka fa hitombo ny fitiavantsika Azy. Eo am-pelatanantsika tokoa ny firaketana momba ireo asa nataony rehetra, saingy tsy maintsy mitady fotoana isika, manokana fotoana mihitsy aza, mba hahalalana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famakiana ny Teniny (Asa. 17:11). Diniho ireto soso-kevitra manaraka ireto:
Angataho Andriamanitra mba hametraka ny faniriana Azy ao am-ponao. Takio ny teny fikasana ao amin'ny Jer. 29:13 sy ny Sal. 37:4. Asao Izy hamoha anao maraina kokoa noho ny mahazatra na hanome fotoana hahafahanao manao izany ao anatin'ny tontolo andro.
Atolory an'Andriamanitra ny fotoanao. Eny tokoa, be sahanina ianao, ary maro ny zavatra maika tokony hatao. Saingy sarobidy loatra ny fotoana hiarahana amin'Andriamanitra. Mitokana any amin'ny toerana mangina ary vakio ny Sal. 46:10. Vakio na hirao ho an'Andriamanitra ny hira faha-261 ao amin'ny fihirana advantista. Saintsaino ireo lafim-piainanao izay tsy mbola natolotrao ho an'Andriamanitra ary atolory Azy izany.
Manokana fotoana hiarahana amin'Andriamanitra na dia mety malaindaina aza ianao ny hanao izany. Tahaka ny tsy maintsy anaovana safidy mazava sy anarahana tondrozotra mba hahasalama tsara (fanatanjahan-tena, sakafo ara-pahasalamana), dia mitaky safidy mazava koa ny fananana fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Tsarovy fa mety haharitra 21 andro farafahakeliny vao miorina ny fahazarana vaovao, ary tsy hahomby mihitsy isika raha tsy eo ny fanampian'ny Fanahy Masina.
Avereno vakina ny Jao. 15:1-8. lnona no Iazain'i Jesôsy mikasika ny fitoerana ao Aminy, ary nahoana izany no zava-dehibe iankinana aina ho an'ny finoantsika?