Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Tsara sy marina tanteraka Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 03 February 2025

Tsy hoe tia ny rariny ary miantso ny olona ho tia sy hampihatra izany fotsiny Andriamanitra fa asehony amin'ny fomba tonga lafatra sy mafy orina mihitsy izany toetra izany. Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa feno sy tanteraka ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny fahatokiany, ary ny fahamarinany sy ny fitiavany. Miasa araka ny fitiavana sy ny marina ary ny rariny mandrakariva Izy, ary tsy mba manao ratsy na oviana na oviana.

Vakio ny Deo. 32:4 sy ny Sal. 92:15. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahamarinany?

Ambaran'ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ireo andalan-tSoratra Masina hafa fa mahitsy sy be fitiavana Andriamanitra - "tsy misy tsiny" Izy (Sal. 92:15, ampitahao amin'ny Sal. 25:8; Sal. 129:4). "Tsy manao izay tsy marina Izy; isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany; fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra." - Zef. 3:5. Mariho ny fahasamihafana miharihary eo amin'ny toetran'Andriamanitra sy ny toetran'ireo tsy marina.

Fantatr’Andriamanitra izay mahasoa indrindra ny olona tsirairay ary izany no iriny ho azy ireo, tsy mitsaha-miasa Izy mba hanomezana ny tsara indrindra ho an'ny rehetra.

Vakio ny Sal. 9:7,8 sy ny Sal. 145:9-17. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba an'Andriamanitra?

"Mpitsara marina" ilay Andriamanitry ny Baiboly (Sal. 7:11), ary tsy misy faharatsiana mitoetra eo Aminy (Sal. 5:4). Izao no ampianarin'ny 1 Jao. 1:5: "Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao Aminy." Tsy hoe tonga lafatra fotsiny ny fahatsaran’Andriamanitra fa araka ny Jak. 1:13, dia "tsy azon'ny ratsy alaim-panahy Izy " (ampitahao amin'ny Hab. 1:13).

Mifandray ety dia ety ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny voninahiny ao anatin'izany rehetra izany. Maro ny olona manindrahindra fatratra ny fahefana; Andriamanitra kosa na dia mahefa ny zavatra rehetra aza dia amin'ny fomba marina sy be fitiavana ihany no ampiasany izany fahefany izany. Tsy kisendrasendra ny namaliany hoe: "Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao" rehefa nangataka taminy i Mosesy hoe: "Mba ampahitao ny voninahitrao aho." - Eks. 33:18,19.

Nahoana moa ilay Andriamanitra tsara tahaka izany no mamela ny hisian'ny fahara-tsiana be tahaka izay hita eto amin'izao tontolo izao? Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valinteninao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal