Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Tsy miovaova ny toetran’Andriamanitra.

Daty
Talata 04 February 2025

Vakio ny Mal. 3:6 sy ny Jak. 1:17. Inona no ampianarin' ireo andalan-teny ireo antsika momba ny toetran’Andriamanitra?

Hoy Jehôvah ao amin'ny Mal. 3:6: "Fa Izaho Jehôvah dia tsy miova." Mety hisy hamaky io ampahan'andininy io ka handray ny heviny hoe tsy miova mihitsy Andriamanitra (ny asany, ny fihetsehampony); ny ampahany sisa amin'ireo andalan-teny ireo sy ny tontolon-keviny kosa anefa dia mampiseho fa ny tsy fiovaovana ambara eto dia ny tsy fiovaovan'ny toetrany sy ny fitsipiny. Asehon'ny andininy ambiny fa mety hiova Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pifandraisana, satria izao no nambarany: "ary noho izany, ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana" (NKJV). Ary izao no ambarany amin'ny vahoakany ao amin'ny andininy manarakaraka izany: "Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho" - Mal. 3:7.

Araka izany, dia mifandray amin'ny voariny Andriamanitra, fifandraisana izay andraisan'ny andaniny sy ny ankilany anjara izany, kanefa eo anatrehan'izany karazam-pifandraisana izany sy ny zavatra hafa rehetra, dia tsy miova ny toetran’Andriamanitra. Voalaza ao amin'ny Jak. 1:17 koa izany, izay manambara fa avy amin'Andriamanitra ny fanomezana tsara sy tanteraka rehetra, Izy ilay tsy misy fiovaovana. Tsy Andriamanitra no fototry ny ratsy.

Averin'ny Soratra Masina eto sy any amin'ny andalan-teny hafa ny fampianarana fa tsy miova ny toetran'Andriamanitra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia mampianatra mandrakariva ny Baiboly fa tsy miovaova ny fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra. Azony atao ny mifandray amin'ny voariny, ary manao izany tokoa Izy raha mamaly azy ireo, saingy amin'ny fitiavana sy araka ny rariny mandrakariva izany.

Vakio ny 2 Tim. 2:13 sy ny Tit. 1:2 ary ny Heb. 6:17,18. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo mikasika an'Andriamanitra?

Tsy mahazo mandà ny tenany Andriamanitra, tsy mba mandainga Izy ary manatanteraka izay nampanantenainy. Mahazo matoky isika fa Ilay Andriamanitry ny Baiboly ihany no llay Andriamanitra (ao amin'i Kristy) izay nanaiky hanolotra ny tenany ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Andriamanitra azo itokiana tanteraka Izy, ary mahazo matoky sy manantena ny hoavy isika, satria hoy ny Heb. 13:8: "Jesôsy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay."

Ahoana no hianaranao mitoky amin'ny fahatsaran'Andriamanitra na dia tsy mizotra araka ny tokony ho izy fa miharatsy aza ny toe-javatra eo amin'ny fiainanao? Ahoana no anampian'ny fieritreretanao an'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana anao hianatra hitoky amin'ny Fahatsarany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal