Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra

Daty
Alakamisy 06 November 2025

VAVOLOMBELON'NY HERIN'ANDRIAMANITRA

Araka ny efa nianarantsika (jereo ny lesona 5), dia nomen'Andriamanitra tombontsoa hahafantatra Azy sy hiala amin'ny ratsy fanaony ireo firenena jentilisa. Nandà Azy anefa izy ireo ary niharan'ny fitsaran'Andriamanitra nony farany.

Vakio ny Jos. 7:6-9, izay miresaka momba ny fihetsik'i Josoa tany am-boalohany manoloana ny loza nihatra tamin'izy ireo. Diniho manokana ny Jos. 7:9. Inona no foto-kevitra teolojika manan-danja hita ao amin'ny teniny?

Tamin'ny voalohany i Josoa dia niteny tahaka ireo zanak'Isiraely tao anatin'ny fahoriany taorian'ny nandaozany ny tany Egypta, izay nanao hoe: "Inay anie izahay mba matin'ny tanan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho aty an-efitra hianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao." - Eks. 16:3

Ary hoy i Josoa: "Indrisy, Jehovah Tompo ô! Nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tanan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!" - Jos. 7:7.

Tsy ela taorian'izay anefa, dia nasehony ny ahiahiny lehibe momba ny fahavoazana mety hanjo ny anarana sy ny lazan'Andriamanitra noho io faharesena io. "Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao. ahoana ny anaranao lehibe?" - Jos. 7:9.

Maneho lohahevitra sy foto-kevitra izay ivon'ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny Isiraely izany. Na fanirian'Andriamanitra aza ny hahitan'ireo firenena jentilisa manodidina ny zava-dehibe ataon'Andriamanitra ho an'ny olony izay mankató Azy, dia azon'izy ireo atao koa, tahaka an'i Rahaba, ny mianatra hahafantatra Ilay Andriamanitry ny Isiraely amin'ny alalan'ny halehiben'ny fandresen'ny vahoakany. Etsy an-daniny, raha ratsy ny fizotry ny toe-draharaha, tahaka ny nitranga teto, dia hihevitra ireo firenena ireo fa tsy manan-kery sy tsy mahomby ny Andriamanitry ny Isiraely (jereo ny Nom. 14:16; Deo. 9:28), ka mety hanamafy ny fanoheran'ny Kananita izany.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, na tao anatin'ny tontolon-kevitra nakan'ny Hebreo ny tany aza, dia tsy maintsy notandrovana fatratra ny laza sy ny voninahitr Andriamanitra, Izay hany fanantenana na ho an'ny Jentilisa, na ho an'ny Isiraely.

Vakio ny Deo. 4:5-9. Amin'ny fomba ahoana no mampitovy antsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ankehitriny sy ny fanambarana entintsika, amin'ny Isiraely amin'ny maha-vavolombelona azy teo anatrehan'izao tontolo izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal