Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.

Daty
Alahady 01 February 2026

Vakio ny Fil. 3:1-3. Inona no teny manana hevitra mia o sy mit ia a aon'i Paoly eto, ary ahoana no ifandraisan'izany? Toy ny ahoana ny fanoritsoritany ireo mpino?

Fehezanteny manana hevitra miabo no anombohan'i Paoly ny teniny, ary toy ny hoe mamarana ny epistiliny no famakiana izany. Tsy mbola tapitra anefa ny zavatra tiany hambara. Iverenany indray ny anankiray amin'ireo lohahevi-dehibe tao anatin'ity epistily ity: ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Ary hanome antony marobe ho amin'izany izy. Izao no zava-dehibe indrindra: i Kristy no tokony hitokiantsika fa tsy ny tenantsika, "Fa isika (...) manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo." - Fit. 3:3. Iza amintsika no efa nandray lesona naharary mikasika ny tsy tokony hitokiana amin'ny nofo?

Ny fampitandremana mafonja hoe "tandremo" (izay miverina intelo) dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Soratra Masina afa-tsy ao amin'ireo andalan-teny ireo irery ihany. Hita taratra eto fa fantatr'ireo Filipianina tsara ny loza manambana tokony hotandremana izay nambaran'i Paoly. Tsy olana telo samy hafa no tondroina eto fa andian'olona mpitondra fampianaran-diso izay soritsoritana amin'ny fomba telo samy hafa.

Ny olona ratsy fanahy na tsy mpivavaka teo amin'ny Isiraely fahiny dia nantsoina matetika hoe "amboa" (Fil. 3:2; ampitahao amin'ny Sal. 22:16; Isa. 56:10; Mat. 7:6; 2 Pet. 2:21,22). Azo antsoina hoe "mpanao ratsy" koa ny mpampianatra sandoka. Ny fanondroana azy ireo ho "voakilema" na "manapaka ny nofo" (Fil. 3:2, DIEM) dia mampiseho, tahaka ny ao amin'ny Galatianina sy ny boky hafa, fa manery ny hamorana ny mpino Jentilisa izy ireo, izay manohitra ny fitsipika napetraka tao amin'ny filan-kevitry ny apôstôly (Asa. 15).

Mahaliana tokoa ny manamarika fa ny vahaolana manoloana ireo fihaikana ara-panahy, anisan'izany ny fielezan'ny fampianaran-diso, dia ny "mifalia ao amin'ny Tompo" - Fil. 3:f; ampitahao amin'ny Fil. 4:4.

Tian'Andriamanitra ho faly isika, ary ny Teniny no karazana taridalana haha-zoana ny tena fahasambarana sy fifaliana maharitra. Anisanlizany fifaliana izany ny fahazoana ny famindrampon'Andriamanitra (Sal. 31:7), ny fametrahana ny fito-kiantsika Aminy (Sal. 5:11), ny fandraisana ireo fitahiam-pamonjena (Sal. 9:14), ny fanekena ny Lalany ho fomba fiainantsika (Sal. 119:14) [ao anatin'izany ny Sabata (Isa. 58:13,14)], ny finoana ny Teniny (Sal. 119:162) ary ny fananana zanaka manana toe-panahy araka an'Andriamanitra (Ohab. 23:24, 25).

Mety ho sarotra tokoa ny fiainantsika, na dia mety mizotra tsara aza izany ankehitriny. Na dia tsy izany aza no miseho amin'izao fotoana izao, Inona no mety ahazoanao fifaliana na tokony hifalianao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal