Vakio ny Fil. 3:1-3. Inona no teny manana hevitra mia o sy mit ia a aon'i Paoly eto, ary ahoana no ifandraisan'izany? Toy ny ahoana ny fanoritsoritany ireo mpino?
Fehezanteny manana hevitra miabo no anombohan'i Paoly ny teniny, ary toy ny hoe mamarana ny epistiliny no famakiana izany. Tsy mbola tapitra anefa ny zavatra tiany hambara. Iverenany indray ny anankiray amin'ireo lohahevi-dehibe tao anatin'ity epistily ity: ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Ary hanome antony marobe ho amin'izany izy. Izao no zava-dehibe indrindra: i Kristy no tokony hitokiantsika fa tsy ny tenantsika, "Fa isika (...) manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo." - Fit. 3:3. Iza amintsika no efa nandray lesona naharary mikasika ny tsy tokony hitokiana amin'ny nofo?
Ny fampitandremana mafonja hoe "tandremo" (izay miverina intelo) dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Soratra Masina afa-tsy ao amin'ireo andalan-teny ireo irery ihany. Hita taratra eto fa fantatr'ireo Filipianina tsara ny loza manambana tokony hotandremana izay nambaran'i Paoly. Tsy olana telo samy hafa no tondroina eto fa andian'olona mpitondra fampianaran-diso izay soritsoritana amin'ny fomba telo samy hafa.
Ny olona ratsy fanahy na tsy mpivavaka teo amin'ny Isiraely fahiny dia nantsoina matetika hoe "amboa" (Fil. 3:2; ampitahao amin'ny Sal. 22:16; Isa. 56:10; Mat. 7:6; 2 Pet. 2:21,22). Azo antsoina hoe "mpanao ratsy" koa ny mpampianatra sandoka. Ny fanondroana azy ireo ho "voakilema" na "manapaka ny nofo" (Fil. 3:2, DIEM) dia mampiseho, tahaka ny ao amin'ny Galatianina sy ny boky hafa, fa manery ny hamorana ny mpino Jentilisa izy ireo, izay manohitra ny fitsipika napetraka tao amin'ny filan-kevitry ny apôstôly (Asa. 15).
Mahaliana tokoa ny manamarika fa ny vahaolana manoloana ireo fihaikana ara-panahy, anisan'izany ny fielezan'ny fampianaran-diso, dia ny "mifalia ao amin'ny Tompo" - Fil. 3:f; ampitahao amin'ny Fil. 4:4.
Tian'Andriamanitra ho faly isika, ary ny Teniny no karazana taridalana haha-zoana ny tena fahasambarana sy fifaliana maharitra. Anisanlizany fifaliana izany ny fahazoana ny famindrampon'Andriamanitra (Sal. 31:7), ny fametrahana ny fito-kiantsika Aminy (Sal. 5:11), ny fandraisana ireo fitahiam-pamonjena (Sal. 9:14), ny fanekena ny Lalany ho fomba fiainantsika (Sal. 119:14) [ao anatin'izany ny Sabata (Isa. 58:13,14)], ny finoana ny Teniny (Sal. 119:162) ary ny fananana zanaka manana toe-panahy araka an'Andriamanitra (Ohab. 23:24, 25).
Mety ho sarotra tokoa ny fiainantsika, na dia mety mizotra tsara aza izany ankehitriny. Na dia tsy izany aza no miseho amin'izao fotoana izao, Inona no mety ahazoanao fifaliana na tokony hifalianao?