Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.

Daty
Alahady 03 May 2026

I Daniela dia iray amin'ireo olo-malaza lehibe ao amin'ny Baiboly. Fantatsika koa ny niandohan'ny tantarany: "Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka"- Dan, 1:8. "Ary ireo zatovo efa-dahy ireo (Daniela sy ireo namany telo lahy) dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra: ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra"- Dan. 1:17. Hendry no amaritan'ny Baiboly an'i Daniela (Dan. 1:20; Dan. 2:14,21,23,48) satria tao aminy ny Fanahin'Andriamanitra (Dan. 4:15; Dan. 5:14; Dan. 6:4), ary malala indrindra eo imason'ny lanitra izy (Dan. 9:23, Dan. 10:11). Toy izany no nanoritsoritana lehilahy iray izay nanana fifandraisana matanjaka sy maharitra tamin'Andriamanitra.

Ao amin'ny Daniela 2, rehefa namoaka didy hamonoana ny olon-kendry rehetra tao Babylona ny mpanjaka Nebokadnezara, dia nangataka ny famindram-pon'Andriamanitra i Daniela momba ilay zava-miafina tao amin'ny nofin'ny mpanjaka (Dan. 2:18). Rehefa nambaran'Andriamanitra tamin'i Daniela ny nofin'ny mpanjaka, dia nivavaka avy hatrany izy.

Vakio ny Dan. 2:20-23. Nahoana i Daniela no nivavaka, ary inona no azontsika ianarana avy amin'izany vavaka izany?

Rehefa nandeha ny taona, ary mpanjaka maro no nifandirnby, dia nijanona ho mpanolotsaininy mpanjaka hatrany i Daniela, ary voalaza fa niavaka satria "nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra" - Dan. 6:4. "Tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory" ny olona - Dan. 6:4. Na teo aza ny fialonana mafy sy ny teti-dratsy (Dan. 6:5-9) avy amin'ireo mpiara-miasa taminy, dia nitoetra ho mahatoky sy tsy nanan-tahotra i Daniela teo amin'ny fiainam-pivavahany.

Vakio ny Dan. 6:10,11. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika momba an'i Daniela?

Rehefa niatrika zava-tsarotra i Daniela, dia nivavaka. Na ny ainy aza no notandindomin-doza, dia nanohy sy naharitra nivavaka izy (intelo isan'andro, araka ny fanaony), araka ny efa nanampoizana azy rahateo (teo am-baravarankely mivoha, intelo isan'andro, sady nanandrify an'i Jerosalema). Fihetsika hita maso ny vavaka nataony (nandohalika izy) ary nifantoka tamin'ny fisaorana sy ny fangatahana tamin'Andriamanitra.

Manoloana ny tantara tahaka ity, hatraiza ny maha tsinontsinona ny fialan-tsiny ataonao mba tsy hivavahana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal