Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 02 May 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 2:20-23; Dan. 6:10,11; Asa. 20:36; Gen. 5:22-24; Eks. 33:15-23; Eks. 32:31,32.

Tsianjery :

"Izaho tia an'i Jehôvah, satria efa nandre ny feon'ny fifonako lzy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko lzy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa." - Sal. 116:1,2.

Alao sary an-tsaina hoe tsy miresaka firy amin'ny namanao akaiky indrindra na amin'ny vadinao ianao. Tsy ho ela dia ho rava ny fifandraisana, ary hipoitra ny olana. Tahaka izany koa ny vavaka, ampahany tena ilaina amin'ny fifandraisana akaiky amin'Andriamanitra izany. Fahazarana ara-panahy iankinan'aina, izay ilain'ny tsirairay sy afaka manatanjaka antsika izany. Raha tsy mivavaka matetika sy tsy mitsahatra isika, dia haniasia lavitra ny Tompo na ho ela na ho haingana.

Mahita fiainan'olona isan-karazany isika ao amin'ny Baiboly, izay samy manana ny fomba fivavahany. Azontsika dinihina ny akon'ny fivavahany tamin’Andriamanitra teo amin'ny fifandraisany Taminy, hahitantsika ny fomba sy ny antony mety hivavahantsika koa, ary ny fomba nanovan'ny vavaka nataon'izy ireo ny fiainan'ny hafa. Marina tokoa fa ny fiainam-pivavahantsika dia tsy misy fiantraikany amin'ny tenantsika ihany fa amin'ny hafa koa.

Toy ny fandinihana Baiboly ihany, ity lohahevitra momba ny vavaka ity dia sady goavana no manan-danja ary midadasika, ka tsy ho ampy ny tapa-bolana monja handinihana izany. Hianatra lesona vitsivitsy avy amin'ireo olona ao amin'ny Baiboly isika amin'ity herinandro ity, izay nivavaka ka naneho ny mahazava-dehibe ny vavaka mba hananana fifandraisana mafy orina amin'Andriamanitra. Andeha handray lesona avy amin'ny oha-piainan'izy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal