Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.

Daty
Alatsinainy 04 May 2026

Rehefa misy olana eo amin'ny fiainantsika, dia ny miantso namana akaiky no mahavantana ny ankamaroantsika, mba hiresahana momba izany. Rehefa manana vaovao tsara isika, dia mitady olona hizarana izany. Afaka manao toy izany koa isika amin'Andriamanitra. "Ny fivavahana dia famborahana ny fo amin'Andriamanitra, toy ny amin'ny sakaiza tiana indrindra."— DHK, t. 106.

Tsy hoe mampifandray antsika mandrakariva amin'Andriamanitra fotsiny ny vavaka, fa milaza amin'ny cloy* koa hoe an'iza isika. Ny fandohalehantsika mivavaka vao maraina dia toy ny fanambarana amin'ny herin'ny maizina, hita maso amin`ny fihetsitsika, fa mifidy an'Andriamanitra isika io andro io. Tsy izany ihany fa maniraka anjely ho eo anilantsika Andriamanitra rehefa mivavaka isika, ary voaro amin'ny fahavalo isika eo ambanin'ny elany (Sal. 91).

Ny fihetsika mampilefitra ny lohatika dia maneho toetra feno fanetren-tena. Misy fahasamihafana amin'ny mipetraka eo amin'ny seza na mandry eo am-pandriana ihany izany, na dia azo atao tsara aza ny mivavaka amin'ireo toerana ireo koa. Fa rehefa mandohalika eo anatrehan'Andriamanitra kosa isika, dia mampiseho fahavononana hanompo an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra, ary ny tenintsika dia manambara fa Izy no mpanjaka ary isika dia zanaka nohariany.

Vakio ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto ary saintsaino ny fiainan'ireo olona nandohalika nivavaka ireo: Dan. 6:11; Lio. 22:41; Asa. 7:60; Asa. 9;40; Asa. 20;36.

Ny mitsangana rehefa mivavaka dia fanao mahazatra tamin'ny andron’ny Baiboly (2 Tant. 20:5,6,13; 1 Sam. 1:26; Jôba 30:20; Lio. 18:11,13). Ahitana ohatra momba ny olona nipetraka rehefa nivavaka koa ny Baiboly (2 Sam. 7:18). Ny hafa indray niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'Andriamanitra — na dia tsy fahita firy teo amin'ny fivavahana aza izany fihetsika izany, fa teo amin'ny fileferana eo anatrehan'ny olona ambony (1 Mpanj. 1:47; Mar. 14:35).

Inona ny fihetsika fanaonao rehefa mivavaka ianao? Ny Baiboly dia tsy mitaky antsika hivavaka amin'ny fihetsika manokana, nefa manan-danja ny fihetsika, satria maneho ny fanajantsika, ny fihetseham-pontsika anaty, ary ny faniriantsika hdefitra amin'Andriamanitra. Misy olona sasany tsy afaka mandohalika, koa ny toetran'ny fony no tena manan-danja. Raha afaka mandohalika ianao nefa tsy manao izany matetika, maninona moa raha mandohalika amin'ny manaraka rehefa mivavaka ianao, ka jereo ny vokatr'izany eo amin'ny fotoana iarahanao amin'Andriamanitra?

Manasa antsika ny Baiboly hoe: "Mivavaha, ka aza mitsahatra" -1 Tes. 5:17, izay mitaky faharetana (Kol.4:2) sy fiaretana (Rôm. 12:12). Anio, na mitsangana ianao, na mipetraka, na mandry, na mandeha, dia atodiho any amin'Andriamanitra ny sainao ary miresaha Aminy toy ny amin'ny namanao. Atombohy dieny izao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal