Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 08 November 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 5:1-7; Eks. 12:6; 1 Kor. 5:7; Jos. 8:30-35; Deo. 8:11, 14; Heb. 9:11,12.

Tsianjery:

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." - Mat. 6:33

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ireo fotoana vitsivitsy nanan-danja nandritra ny fitoeran'ny Isiraely tao amin'ilay Tany Nampanantenaina, rehefa nanavao ny fanoloran-tenany ho an'i Jehôvah izy ireo, indraindray teo anatrehan'ny loza izay nananontanona azy. Toa manohitra ny lojika ny fahitana ny fanapahan-kevitr'i Josoa raha namora ireo Isiraelita teo amin'ny faritanin'ny fahavalo izy (Jos. 5:1-9), sy nankalaza ny Paska teo anoloan'ny loza efa nananontanona (Jos. 5:10-12), nanorina alitara sy niankohoka tamin'i Jehôvah raha mbola tao anatin'ny ady hakana ny tany (Jos. 8:30-35) ary nanorina ny tabernakelin'i Jehôvah raha tsy mbola nahazo ny lovany akory ireo foko fiton'ny Isiraely (Jos. 18:1,2).

Ao anatin'ny rotorotom-piainana, dia manana fironana isika hifantoka amin'ireo fahamehana atoraky ny fiainana amintsika. Matetika loatra isika no manao tsirambina ny fanokanana fotoana hanavaozana ny fanoloran-tenantsika ho an'Andriamanitra sy hiatoana kely mba haneho ny fankasitrahantsika Azy noho izay efa nataony sy mbola ataony ho antsika isan'andro. Toy ny lany andro ny fahitana ny fanompoam-pivavahana marain-tsy hariva, sy ny alitaram-pianakaviana, ao anatin'ny fiainantsika mirotoroto sy mifantoka amin'ny fikatsahana fiadanana sy ny fiezahana hahomby. Kanefa ao am-pontsika lalina ao, dia fantatsika rehetra fa ny fotoana atokana iarahana amin'Andriamanitra sy ireo olon-tiantsika no fampiasana tsara indrindra ny fotoantsika izay voafetra ihany

*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal