Ireo tantara rehetra ao amin'ny Testamenta Taloha ireo, na dia mampalahelo sy feno faharatsiana aza, dia nomena mba hahasoa antsika: hahafahantsika misintona lesona mikasika ny zava-mitranga rehefa mikomy amin'Andriamanitra isika.
Vakio ny 1 Kôr. 10:6–12. Araka ny tenin'ny apostoly Paoly, nahoana Andriamanitra no nanome tsindrimandry ny mpaminany hanoratra izay nosoratany ao amin'ny Baiboly?
Asehon'i Paoly mazava ao amin'ireo andalan-teny ireo fa misy tsipika mahitsy mampifandray ny lasa sy ny ankehitriny, mampifandray ny Isiraely fahiny sy ny fiangonana, ka isika izay manaiky an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy dia voafaokan'izany (Gal. 6:14–16).
Nasehon'i Paoly mazava fa tsy tokony hatao tsinontsinona na hohadinoina ny tantaran'ny fanandraman'ny olombelona tamin'ny lasa, na tsara izany na ratsy. Andriamanitra mihitsy no mandray izany ho zava-dehibe ka noraketiny izany mba ho "tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny" - 1 Kôr. 10:6. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia amin'ny alalan'ny lasa no hahatakarantsika izay miseho ankehitriny sy hahafantarantsika izay hiseho amin'ny hoavy.
Raha fintinina, dia milaza amintsika Andriamanitra fa tsy voatery hamerina ny fahadisoan'ireo tany aloha isika, raha toa ka mihaino ny fananaran'ny Soratra Masina sy ny hafatra alefany amintsika amin'ny alalan'ireo mpaminaniny. Raha mihaino sy mianatra ary mankatò isika, dia ho tafatoetra sy hambinina (2 Tant. 20:20).
Ho an'ny olona sasany, ny fahombiazana ara-panahy dia matetika no heveriny ho fananana trano tsara tarehy, fiara maro, fitafiana, sy ireo harena ara-nofo hafa. Na dia mampanantena aza Andriamanitra fa hanome izay ilaintsika, dia tiany koa raha hambinina ny fanahintsika (3 Jao. 2). Nefa mitaky fankatoavana ireo hafatr'Andriamanitra ny fahombiazana maharitra eo amin'ny lafiny ara-panahy, ho an'ny Kristianina.
Tsy mba manao teny tsy misy heviny Andriamanitra. Rehefa miteny Izy, dia mandrakizay izany teniny izany. Tsy manam-pahataperana ny fahefan'ny teniny sy ny herin'izany (Isa. 40:8). Omena izany mba "ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao." - 1 Kôr. 10:11. Nitombina izany teny izany fahiny, ary mihoatra lavitra noho izany no mampanan-kery azy amin'izao androntsika izao.
Rehefa mamaky ny tantara momba ny fikomiana sy ny tsy finoana ao amin'ny Baiboly ianao, inona ny lesona azonao sintonina avy amin'izany izay hanampy anao tsy hamerina izany?