Notombanan'i Arthur White, zafikelin'i Ellen G. White sady talen'ny Ellen G. White Estate teo aloha, fa fahitana sy nofy ara-paminaniana an-jatony eo ho eo no naseho ny renibeny nandritra ny androm-piainany. Naharitra minitra vitsy hatramin'ny ora maromaro ireny fahitana ireny, ary indraindray natrehin'ny olona maro ny fandraisany izany. Tamin'ny fotoana sasany aza, dia nanana fahafahana nandinika azy nandritra ireny fotoana ireny ireo olona nisalasala momba azy.
Tahaka ireo mpaminanin'ny Baiboly, dia niaina fanandramana maneho ny herin'Andriamanitra i Ellen G. White nandritra ny fotoana nandraisany fahitana. Tamin'ny taona 1868, i James White, dia nilazalaza an-tsipiriany ny fihetsik'i Ellen White rehefa mahita fahitana. Hoy izy: "Tsy mahalala na inona na inona momba izay mitranga manodidina azy izy; tsy miaina izy, tonga 'henjana' ny tenany rehetra ka tsy voahetsika, kanefa rehefa mihetsika izy dia toy ny tsy misy maneritery. Ary tsy mikimpy ny masony. Rehefa tapitra ny fahitana dia tsy mahita mandritra ny fotoana voafetra izy, nefa tsy misy fahasimbana akory ny masony. Tsy misy olona afaka mametra ny fotoana hahitany fahitana na ny faharetan'izany, satria na i Ellen White aza matetika dia tsy manampo ny hahita fahitana." (Jereo ny "Life Incidents", nosoratan'i James White, tt. 271–274.)
Tahaka ny tamin'ny andron'ny Baiboly, dia samy hafa ny fandraisan'ny olona ny hafatra. Nanaiky ny torohevitr'Andriamanitra ny sasany, ny hafa kosa nandà izany. Izao no nolazain'i Ellen G. White: "Notendren'Andriamanitra ho mpananatra ny olony aho; ary satria Izy no nametraka amiko izany enta-mavesatra izany, dia Izy no hampamoaka ireo izay mandray izany hafatra izany mikasika ny valintenin'izy ireo. (...) Tsy safidiko ny hanao izao asa mavesatra izao. Asa izay tsy hitondra fankasitrahana na fideran'ny olona ho ahy izany. (...) Hanao izay vitako aho amin'ny anaran'ilay Mpanavotra ahy sy amin'ny heriny. Hampitandrina sy hanoro hevitra ary hananatra sy hampahery araka izay itarihan'ny Fanahin'Andriamanitra ahy aho, na hihaino izany ny olona na hanosi-bohon-tanana. Tsy ny hanao izay mahafalifaly ahy no adidiko, fa ny hanao ny sitrapon'ilay Raiko any an-danitra, izay nanome ahy ny asa." - TFC, b. 4, tt. 231, 232.
Mahaliana tokoa fa maro tamin'ireo izay nandà ny hafatra ara-paminaniana nentiny no nanao izany noho ny tsy finoan'izy ireo manokana na noho ny tsy fitovian-keviny tamin'i Ellen G. White, fa tsy noho ny antony ara-teolojia loatra. Naneho fahasoavana tamin'ireo izay nisalasala momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana nananany anefa i Ellen G. White. Nambarany mazava fa ny olona tahaka izany dia tokony hanehoana "faharetana be sy fitiavan'ny mpirahalahy (...) mandra-pahitany ny toerany ka hahatonga azy ho tafatoetra na hanohitra." - TFC, b. 1, t. 238.
Resy lahatra i Ellen G. White fa ireo hafatra nomen'Andriamanitra azy no porofo manamarina ny fananany ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana. Ninoany fa raha tena mitady ny fahamarinana amin'ny fo mahitsy ny olona, dia hahatsapa ny maha marina sy azo itokiana izany fanomezam-pahasoavana izany. Niantehitra tamin'Andriamanitra izy mba hitari-dalana azy ireny eo amin'ny fikatsahany ny hahatakatra lalindalina kokoa, nefa nanoratra koa izy fa efa nomen'Andriamanitra antsika ny porofo ampy "hampiorenantsika ny finoantsika amin'ny fahamarinana." — TFC, b. 4, t. 231.
Azonao tsidihina ny https://whiteestate.org/absg/7.