I Mosesy, ilay mpitarika nofidin'Andriamanitra, dia nahafantatra tsara ny fifaliana sy ny fahoriana ateraky ny fitarihana vahoaka maro samihafa namakivaky ny efitra ho any amin'ilay Tany Nampanantenaina.
Vakio ny Nom. 14:4-11. Inona no mitranga ao amin'ireo andalan-teny ireo? Nahoana ny olona no tezitra tamin'i Mosesy sy i Arona?
Raha mamaky tsara ireo andininy ireo isika, dia hahita fa tezitra tamin'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, satria tsy natoky Azy. Mora tamin'izy ireo ny nampitodika ny fahatezerany tamin'i Mosesy sy i Arona, izay solontenan'Andriamanitra teo amin'ny fitarihana azy ireo. Filana fototra ao anatin'ny olombelona rehetra ny faniriana hahatsapa fiarovana ara-batana sy ara-tsaina. Rehefa tandindomin-doza ny iray amin'ireo lafiny maha olona antsika ireo, na koa rehefa heverintsika fa manohintohina ny fahasalamantsika ara-batana na ara-tsaina ny zavatra iray, dia mety ho tezitra isika na manao zavatra tsy amim-piheverana mihitsy aza.
Vakio ny Nom. 13:26-30. Nahoana no natahotra mafy ireo Isiraelita? Inona ny teny fampaherezana nataon'i Kaleba ho azy ireo?
Natahotra mafy ireo Isiraelita rehefa nahita ny fihaikana maro niandry azy ireo amin'ny fidirana sy ny fakana ny Tany Nampanantenaina. Ara-dalàna izany tahotra izany, "nefa rehefa avelan'ny olona hanjaka ao am-pony ny tsy finoana, dia mametraka ny tenany ho eo ambanin'ny fifehezan'i Satana izy, ary tsy misy mahalala ny hiafaran'ny lalana izay hitarihany azy ireo." - Ellen G. White, PP, t. 389. Niatrika fanamby lehibe saika tsy hay resena i Mosesy tamin'izany fotoana izany, teo amin'ny fitarihana ny vahoaka. Vetivety dia nivadika ho fahatezerana niantefa taminy sy i Arona ny fahatahoran'ny vahoaka, ary niafara tamin'ny fikomiana mivantana tamin'Andriamanitra izany. Rehefa nitady mpitarika vaovao hisolo ilay mpaminany no sady mpitarika nofidin'Andriamanitra ny vahoaka (Deo. 34:10–12; Nom. 14:4), dia nandriatra ny fitafiany i Josoa sy i Kaleba ary nitalaho tamin'izy ireo mba hatoky an'Andriamanitra na dia natahotra aza: "Raha sitrak'i Jehôvah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza miodina amin'i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany." - Nom. 14:8,9.
Mora ny matoky an'Andriamanitra rehefa mizotra tsara ny zavatra rehetra, sa tsy izany? Fa ahoana kosa rehefa tonga ny loza sy ny fahoriana? Ahoana rehefa midika ho fiatrehana zava-tsarotra sy famoizana ny fiadanana ny fitokiana amin'Andriamanitra? Manao ahoana ny fitokianao Aminy amin'izany fotoana izany?