Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 09 August 2025

MOFON'AINA SY RANΟΝ'ΑΙΝΑ

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 15:22-16:36, Gen. 3:1-6, Eks. 17:1-7, 1 Kor. 10:4, Eks. 18:1-27, 1 Kôr. 10:11.

Tsianjery:

"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalako? Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito." - Eks. 16:28-30.

Taorian'ny nandaozan'ny Isiraely ny tany Egypta, dia niainga ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, izay tsy fantany, izy ireo. Dia lavitra sady sarotra no niandry ny vahoaka, ary nila nianatra lesona vaovao maro be izy ireo. Vonona ny hitari-dalana sy hiahy azy ireo ny Tompo; ary niriny tokoa ny hanampy azy ireo hitombo, saingy tsy maintsy nianatra fitsipi-pifehezana izy ireo, ny fifehezan-tena, ny fahafoizan-tena, ny tsy fitiavan-tena, ny fitokiana amin'ny Tompo, ary indrindra koa ny fankatoavana.

Mpitarika hita maso i Mosesy, ary tsy maintsy nanaraka azy sy ny torolalana omeny ny olona raha te handresy. Niankinan'ny ain'izy ireo ny firaisana, ny firaisan-kina sy ny fifanampiana amin'ny maha-fiarahamonina azy. Sakantsakana sy zava-tsarotra maro no niandry azy ireo. Miankina amin'ny fomba flatrehany ireo fotoan-tsarotra ireo sy ny fandraisany an'i Mosesy ny ampahany betsaka amin'ny fitomboany ara-panahy, indrindra rehefa mihabetsaka ny olana.

Misy ohabolana sinoa malaza manao hoe: "Ny dia an'arivo kilaometatra dia manomboka amin'ny indray mandingana." Mifanaraka amin'ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita io ohabolana io, ary nila nitoky tamin'ny torolalan'ny Tompo izy ireo tamin'ny dingana tsirairay nataony. Indrisy fa araka ny ho hitantsika dia tsy mora ny nianaran'izy ireo izany lesona izany.

Kanefa, iza moa no mahay izany mora foana?

*Famerenana ny lesona ny sabata 16 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal