RANO AVY AMIN'NY VATOLAMPY
Ilana rano betsaka tokoa any amin'ny tany efitra. Namaha io olana io Andriamanitra, na dia be monomonona aza ny vahoaka ka tsy natoky Azy sy naka fanahy Azy mihitsy mba hahitany raha mahay sy vonona tokoa Andriamanitra hanome rano azy ireo. Nanembona an'i Egypta izy ireo tao anatin'ny tsy finoany.
Vakio ny Eks. 17:1-7. Inona no lesona tokony ho noraisin'ny olona tamin'ity tranga ity?
Nantsoin'i Mosesy hoe Masa, izay midika hoe "fakam-panahy", sy Meriba, izay midika hoe "ady" ilay toerana. Nanome rano ho an'ny Isiraelita ny Tompo na dia tsy nino aza izy ireo. Tokony ho nampahatsiahy ny Isiraelita ireo anarana roa ireo mba tsy haka fanahy an'Andriamanitra na hiady Aminy (Heb. 3:7,8,15). Nisalasala ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra tokoa izy ireo, na dia efa nahita porofo mivaingana maro momba ny fanatrehany sy ny heriny ary ny fahefany aza.
"Mosesy tokoa no nikapoka ny vatolampy. Fa ny Zanak'Andriamanitra izay nitsangana teo anilany no nampiboiboika ny rano velona, saingy tsy hita fa takon'ny andri-rahona. Niara-nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra teny lavidavitra teny i Mosesy sy ny loholona ary ny fiangonana manontolo, ary nanaiky fa raha tsy teo ny andri-rahona, dia ho faty izy tamin'ny firefotry ny famirapiratan'Ilay miafina ao anatiny." - PM, t. 282, ed 2014 (np).
Tandindon'ny fiainana ny rano satria, raha tsy misy rano, dia tsy misy fiainana. Mila rano ny sela rehetra ao amin'ny vatantsika. 60 isan-jaton'ny tenantsika no rano. Na ao amin'ny taolantsika aza dia misy rano. Araka izany, ny fanomezana rano ho an'ny Isiraelita tany an'efitra dia famantarana ho azy ireo fa miahy sy mihevitra izay ilainy Andriamanitra, ary azon'izy ireo nitokiana Izy. Kanefa eto indray, tsy maintsy nankato izy ireo.
Taonjato maro tatý aoriana dia mampahatsiahy ny mpino i Paoly, ao amin'ny 1 Kôr. 10:4, fa miavaka tokoa ny fanandramana niainan'ny Isiraelita tany an'efitra. I Kristy mihitsy no tsy vitan'ny hoe nitarika azy ireo, fa nanome azy rano koa (Sal. 78:15,16), sy nanome izay nilainy hafa, na ara-panahy na ara-batana. Hoy i Paoly: "Kristy izany vatolampy izany". Ho azy ireo, Loharanon'ny fiainana sy Mpanome fiainana mandrakizay i Kristy. Toy ny vatolampy miorina mafy, dia toy izany koa ny fitarihan'Andriamanitra ny vahoakany. Azo ianteherana Izy satria mitana ny teny fikasany mandrakariva.
Amin'inona avy no ilanao fitokiana amin'Andriamanitra ankehitriny? Ahoana no hianaranao milefitra amin'ny sitrapony sy miandry Azy hiditra an-tsehatra amin'ny fotoany? Nahoana no tsy mora mandrakariva ny manao izany?