Hodinihana mandritra ny herinandro: 1 Mpanj. 19:1-18; Mat. 6:5-8; Lb. 11:2-4; Mat. 6:5-15; Dan. 9:4-19; Rôm. 8:26,27.
Tsianjery: "Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." - Sal. 62:8
Toy ny ahoana ny fiainam-bavakao? Impiry mivavaka ianao? Manao ahoana ny hafanam-ponao amin'ny fivavahana? Manao ahoana ny fiandrandranao valim-bavaka? Mivavaka isan'andro ve ianao sa rehefa misy mahaporitra ihany? Mangata-javatra mandrakariva ve ianao rehefa mivavaka sa midera an'Andriamanitra ihany koa ao anatin'izany?
Moa ve ianao mivavaka alohan'ny hisakafo maraina ary koa ao anatin'ny tontolo andro anenjehan-draharaha betsaka? Mety efa namonjy vondrom-bavaka tsy tapaka angamba ianao na koa efa nanandrana ny mivavaka tsy miato. Efa niainanao ve ny fanandraman'ny herin'Andriamanitra sy ny fanatrehany tamininy alalan'ny vavaka, izay manova ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainanao?
Fifandraisana tsy tapaka eo amintsika (sampany) sy i Jesôsy (Voaloboka) ny vavaka. "Raha tiantsika ny hitombo sy hiroborobo, dia tsy maintsy mandray tsiron-kazo sy famelomana avy amin'ilay Voaloboka velona isika, satria raha misaraka amin'ilay tena Voaloboka isika dia tsy manan-kery." - EGW, Early Writings, t. 73. Izany no fitahiana avy amin'ny fivavahana tsy tapaka. Mandre antsika Andriamanitra, ary mamaly amin'ny fotoany sy ny fombany tsara indrindra mandrakariva Izy, na dia tsy araka izay mety andrandraintsika aza izany.
Amin'ity herinandro ity, andeha hianarantsika ny momba ireo olona vitsivitsy mivavaka ao amin'ny Baiboly; hodinihintsika amin'izany ny fomba tsotra azo ampiharina mba hanamafisana ny vavaka eo amin'ny fiainantsika andavanandro