Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Daty
Alakamisy 14 May 2026

Nahoana isika no mivavaka nefa Andriamanitra efa mahalala ny toe-javatra ? Tcy izao ny fanazavan'i Ellen G. White momba izany : "Tsy maintsy atao izany [ny vavaka], tsy noho ny mba hampahafantatra an'Andriamanitra ny toetsika, fa ny mba hahatonga antsika ho afaka handray Azy. Ny fivavahana dia tsy mampidina an'Andriamanitra ho aty amintsika, fa mampiakatra antsika ho any Aminy kosa."- DHK, t. 106.

Fantatr'Andriamanitra tokoa ny faniriantsika sy izay ilaintsika, ary hitany ny fikasana rehetra ao am-pontsika. Kanefa tsara ho antsika ny mivavaka. Manasa antsika hiato eo anivon'ny rotorotom-piainana izany, ka hiaiky fa ambonin'ny zavatra rehetra Andriamanitra. ary manasa antsika hipetraka eo an-tongony. Ny vavaka ihany koa no manokatra lalana hahafahan'Andriamanitra miasa, rehefa manasa Azy hanao izany isika. Ny Fanahy Masina no manao fanelanelanana ho antsika rehefa tsy fantatsika izay vavaka tokony hotononina (Rom. 8:26, 27).

Nahoana isika no mivavaka na dia mizotra tsara aza ny fiainana? Ny fiheveran-tena ho ampy sy ny avonavona (jereo ny Lesona 3) no mety ho sakana lehibe indrindra tsy hananana fiainam-bavaka velona tsara. Raha ny anjely lavorary aza mivavaka sy miankohoka Aminy, moa ve isika olombelona mpanota mihevitra fa tsy ilaintsika ny hanao Izany? Inona no ambaran'ny Mat. 5:6 sy ny Isa. 44:3 momba izany fahamarinana izany?

Inona ny anjara asan'ny finoana ao amin'ny vavaka? Vakio ny Heb. 11:6 ary saintsaino izao teny izao: "Mlfamatotra akaiky ny vavaka sy ny finoana, ary tokony hatao miaraka ny fandinihana ny momba azy ireo. Misy fahendrena avy any an-danitra ao amin'ny vavaka atao amim-pinoana; fahendrena izay tokony ho takatr'ireo rehetra to hahomby amin'ny asany eto amin'ity fiainana ity. Hoy Kristy: "Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany"-Mar. 11:24. (...) izay nampanantenainy no tokony hangatahintsika, ary na inona na inona voaraintsika dia natao hampiasaina ho amin'ny fanaovana ny sitrapony izany. Rehefa voahaja ireo fepetra ireo dia tsy maintsy tanteraka ny teny fikasana.(...) Tsy mila mahita porofo mivaingana ny amin'ny fitahiana isika."- FK, t. 293. 

Iza no tokony hiarahako mivavaka? Vavaka ao amin'ny mangingina no tokony hataontsika betsaka indrindra, satria ny vavaka sy ny fandinihana ny Baiboly no loharanon'aina ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manokana fotoana handinihanao ny fonao raha miresaka amin'Andriamanitra sy mihaino Azy ianao (Mat. 6:6). Tokony hivavaka miaraka amin'ny ankohonantsika koa isika na ao anatina vondrona kely fray (Asa. 12:12). Farany, tokony hivavaka miaraka amin'ny mpianakavin'ny finoana isika (Jak. 5:13-16). Manan-danja avokoa ireo endrika telo mety isehoan'ny vavaka ireo.

Ahoana no tokony ho fomba fihainoako? Tsy firesahana amin'Andriamanitra fotsiny ny vavaka fa ilaintsika koa ny mamela Azy hiteny amintsika. Ny fomba tsara sy azo antoka indrindra hanaovana izany dia ny famakiana sy ny fandinihana ny Baiboly ary ny fampiarahana izany amin'ny vavaka mandritra ny fotoana andinihanao tena manokana.

Inona no hitanao fa sarotra indrindra amin'ireo izay voalaza etsy ambony? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal