Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.

Daty
Talata 12 May 2026

Tamin'ny andron'i Jesôsy dia nomen-danja fatratra ny vavaka lavareny sy tsara rafitra toy ny zava-kanto — teny saro-takarina sy natao tsianjery matetika no nampiasaina tamin'izany. Tsy nanan-javatra tsara holazaina mikasika ireny karazan-tonom-bavaka ireny i Jesôsy (jereo ny Mat. 6:5-8). Nantsoiny amin'izay tena anarany tokoa ireny: fisehosehoana ho fampiderana ny "fitiavam-bavaka."

Nahita an'i Jesôsy nivavaka ire() mpianatra, ary fantany fa ampahany manan-danja teo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny vavaka (jereo ny Lio. 5:16; Lio. 6:12; Lio. 9:18; Lio. 22:41; Lio. 24:30; Mar. 1:35; Mar. 6:46). Rehefa nijery an'i Jesosy izy ireo dia nahita fa samy hafa tamin'ireo mpitondra fivavahana Izy. Koa nanatona an'i Jesôsy izy, ary niteny taminy hoe: "Tompoko, mampianara anay hivavaka."- Lio. 11:1.

Naneho ohatra tamin'ireo tamin'ny mpianany (sy amintsika) i Jesôsy fa azontsika atao ny mivavaka amin'ny alalan'ny teny tsotra fampiasantsika andavanandro. Nasehony antsika fa tokony ho vokatry ny fo sy mahitsy ny vavaka atao.  
Vakio ny Lio. 11:2-4 sy ny Mat. 6:5-15 ary mariho ireto lafin-javatra manaraka ireto eo amin'ny vavaka nampianarin'i Jesosy: 

• Rainay Izay any an-danitra: Fanekena ny fifandraisanao manokana arnin'ilay Rain'ny rehetra. • Hohamasinina anie ny anaranao: Ny fanekena ny fahamasinan'Andriamanitra no mahatonga antsika hanatona Azy amin'ny fanajana sy ny fahatahorana. 
• Ho tonga anie ny fanjakanao: Faniriana fatratra ny fiverenan'Andriamanitra sy ny fitoeran'ny Fanahy Masina ao am-pontsika mandra-pahatonga izany. 
• Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra: Fileferana sy fangatahana ny hanatanterahan'Andriamanitra ny sitrapony eo amin'ny fiainantsika, fatokiana fa Izy no mahalala izay mahasoa. fa tsy fangatahana fotsiny ny zavatra irintsika. 
• Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay: Fangatahana izay ilaintsika mba hahavelona, eo amin'ny lafiny ara-nofo (hanina sy rano) ary ara-panahy (Jesôsy sy ny Teniny velona). 
• Ary mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay: Fibebahana ary famelana ireo izay nandratra antsika tahaka ny amelan'Andriamanitra ny helotsika maimaimpoana. 
• Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy: Fangatahana fialofana sy fiarovana amin'ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao (Sal. 91). 
• Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena: Fanekena fa ny momba antsika rehetra dia an'Andriamanitra. Izy irery no mendrika ny voninahitra sy ny fiderantsika (1 Tant. 29:11).

Nahoana moa raha ampitomboina ny fivavahanao ary atodika amin'Andriamanitra isa-maraina ny tavanao mba hiresaka amin'llay tia anao mihoatra noho ny zavatra rehetra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal