Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana

Daty
Sabotsy 17 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 9:11-15; Sal. 122; Sal. 15; Sal. 24; Eks. 33:18-23; Sal. 5; Sal. 51:7-15.

Tsianjery:

"Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny." - Apôk. 14:1

Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika, dia mahazatra antsika ny mijery ireo sary an'ohatry ny Apôkalipsy ao amin'ireo tantaran'ny Testamenta Taloha mba hanampy antsika hahatakatra ireo sary an'ohatra ireo. Tsy ireny tantara ireny ihany anefa no loharanon-kevitra tsara fa hita manerana ny Testamenta Taloha izany.

Boky iray manokana manan-karena loharanon-kevitra ny Salamo; amboaran-tononkalo masina izay mitantara fanandraman'ny olona marobe sy resaka ifanaovana amin'Andriamanitra izany - hita ao avokoa na ny famoizam-po noho ny fahotana sy ny fahoriana na ny fifaliana safononoka noho ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny teny fikasana averimberiny momba ny famelan-keloka sy ny famonjena.

Raha mamaky tsara ny Salamo isika dia hahita tsipirian-javatra izay manome aina ny bokin'ny Apokalipsy, indrindra ny Apôk. 14, izay miresaka momba ny asa farany ataon'ny fiangonan'Andriamanitra sisa eto an-tany. Nomena iraka mitovy amin'ny Isíraely fahizay ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany: asaina mijoro ho fahazavana ho an'ny firenen-drehetra isika, ho antsom-pamindrampo farany amin'ny olona rehetra mba hiankohofany sy hankatoavany ny Mpanao azy.

Hanome fomba vaovao hanampy antsika hahatakatra sy hankamamy ny anjara asantsika amin'ny vanim-potoana farany eo amin'ny tantaran'ny tany ireo tsipirian-javatra sasany hita ao amin'ny boky fihiran'Andriamanitra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 24 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal