Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika

Daty
Alahady 18 May 2025

Tsy izay rafitra tian'i Mosesy no nasaina nataony raha nampiandraiketina ny fanorenana ny tabernakely izy, nanome azy mari-drafitra harahina Andriamanitra. "Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy." - Eks. 25:40. Hitantsika ao amin'ny bokin'ny Hebreo fa ny fitoerana masina izay any an-danitra no modelin'izany.

Vakio ao amin'ny Heb. 9:11-15 ny momba an'i Kristy izay Mpisoronabentsika ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra. Inona no ampianarin'izany momba izay ataony ho antsika?

Naneho mialoha an'i Jesôsy tamin'ny tsipiriany mahagaga ny fitoerana masina teto an-tany, hatramin'ny mpisorona sy ny fanatitra ka hatramin'ireo fanaka sy ny rafitra an-tsipiriany hafa rehetra. Samy miresaka momba an'i Jesôsy avokoa ireo.

Manan-karena ireo tandindona ao amin'ny fitoerana masina tokoa ny bokin'ny Apôkalipsy. Hitantsika ao amin'ireo andalan-teny voalohandohany ao amin'io boky io ny fanaovan-jiro tao amin'ny fitoerana masina; voaresaka mivantana ao amin'ny toko faha-4 ny fiaran'ny fanekena sy ireo zavatra hafa rehetra izay mahakasika ny tempoly. Raha tsy fantatsika ny momba ny fitoerana masina ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsy ho takatsika ny zavatra lazain'i Jaona ao amin'ny fanoritsoritana ny fahitana nomena azy. Nosoratan'i Paoly fa ny fanandramana niainan'ny Isiraely dia "nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao." - 1 Kôr. 10:11.

Marobe ny lesona azontsika ianarana avy amin'ny fandinihana ireo tsipirian-javatra mahakasika ny tempoly. Ahitantsika teboka manan-danja izay manampy antsika hahatakatra ny sasany amin'izany ao amin'ny bokin'ny Salamo: ny fomba nifandraisan'ny vahoakan'Andriamanitra manokana tamin'ny tempoly. Hitantsika taratra ao ny fomba nifandraisan'i Davida tamin'ny fitoerana masina sy ny fanompoana ao anatiny, ary koa ny valiny asetrin'ny vahoakan'Andriamanitra ny zavatra hataon'ny Mesia ho azy ireo. Tsy ireo endrika ivelany ihany no manampy antsika hahita an'i Jesôsy fa azontsika dinihina ao koa ny fanandramana manokana niainan'ireo izay nahatakatra ny lesona nampianarin'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'ny fitoerana masina, ary azontsika atao ny misintona lesona ho antsika sy ho an'ny fanandramantsika miaraka amin'Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 122. Na dia tsy afaka ny handeha ara-bakiteny any "an-tranon'i Jehôvah " eto an-tany aza isika (tsy eo izany, ary na dia misy trano aorina aza eo amin'izay nisy azy taloha, dia tsy misy heviny izany), Inona ireo zavatra hita ao amin'io Salamo io izay mampahery antsika momba ny zavatra efa nataon'i Kristy ho antsika? Mariho ireo lohahevitra miresaka momba ny fiadanana, ny fiarovana, ny fiderana ary ny fitsarana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal