Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika

Daty
Alahady 18 May 2025

Tsy izay rafitra tian'i Mosesy no nasaina nataony raha nampiandraiketina ny fanorenana ny tabernakely izy, nanome azy mari-drafitra harahina Andriamanitra. "Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy." - Eks. 25:40. Hitantsika ao amin'ny bokin'ny Hebreo fa ny fitoerana masina izay any an-danitra no modelin'izany.

Vakio ao amin'ny Heb. 9:11-15 ny momba an'i Kristy izay Mpisoronabentsika ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra. Inona no ampianarin'izany momba izay ataony ho antsika?

Naneho mialoha an'i Jesôsy tamin'ny tsipiriany mahagaga ny fitoerana masina teto an-tany, hatramin'ny mpisorona sy ny fanatitra ka hatramin'ireo fanaka sy ny rafitra an-tsipiriany hafa rehetra. Samy miresaka momba an'i Jesôsy avokoa ireo.

Manan-karena ireo tandindona ao amin'ny fitoerana masina tokoa ny bokin'ny Apôkalipsy. Hitantsika ao amin'ireo andalan-teny voalohandohany ao amin'io boky io ny fanaovan-jiro tao amin'ny fitoerana masina; voaresaka mivantana ao amin'ny toko faha-4 ny fiaran'ny fanekena sy ireo zavatra hafa rehetra izay mahakasika ny tempoly. Raha tsy fantatsika ny momba ny fitoerana masina ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsy ho takatsika ny zavatra lazain'i Jaona ao amin'ny fanoritsoritana ny fahitana nomena azy. Nosoratan'i Paoly fa ny fanandramana niainan'ny Isiraely dia "nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao." - 1 Kôr. 10:11.

Marobe ny lesona azontsika ianarana avy amin'ny fandinihana ireo tsipirian-javatra mahakasika ny tempoly. Ahitantsika teboka manan-danja izay manampy antsika hahatakatra ny sasany amin'izany ao amin'ny bokin'ny Salamo: ny fomba nifandraisan'ny vahoakan'Andriamanitra manokana tamin'ny tempoly. Hitantsika taratra ao ny fomba nifandraisan'i Davida tamin'ny fitoerana masina sy ny fanompoana ao anatiny, ary koa ny valiny asetrin'ny vahoakan'Andriamanitra ny zavatra hataon'ny Mesia ho azy ireo. Tsy ireo endrika ivelany ihany no manampy antsika hahita an'i Jesôsy fa azontsika dinihina ao koa ny fanandramana manokana niainan'ireo izay nahatakatra ny lesona nampianarin'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'ny fitoerana masina, ary azontsika atao ny misintona lesona ho antsika sy ho an'ny fanandramantsika miaraka amin'Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 122. Na dia tsy afaka ny handeha ara-bakiteny any "an-tranon'i Jehôvah " eto an-tany aza isika (tsy eo izany, ary na dia misy trano aorina aza eo amin'izay nisy azy taloha, dia tsy misy heviny izany), Inona ireo zavatra hita ao amin'io Salamo io izay mampahery antsika momba ny zavatra efa nataon'i Kristy ho antsika? Mariho ireo lohahevitra miresaka momba ny fiadanana, ny fiarovana, ny fiderana ary ny fitsarana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal