Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.

Daty
Talata 20 May 2025

Manana anarana voasoratra eo amin'ny handriny ireo sisa izay niangona teo an-tendrombohitra Ziona: ny anaran'ny Ray sy ny anaran'ny Zanak'ondry (tsy azo heverina ny ahitana anarana roa samy hafa eo satria maneho an'Andriamanitra Ray i Jesôsy !). Mihoatra noho ny anarana tsotra ifampiantsoan'ny olona ny "anarana" ao amin'ny Soratra Masina; maneho toetra izany. Hatramin'izao andro izao, dia maro ny kolontsaina mbola milaza fa "tsara anarana" ny olona iray izay heverin'ny olona fa manana toetra ambony sy tsara.

Vakio ny Eks. 33:18-23 sy ny Eks. 34:1-7 ary ny Sal. 119:55. Rehefa nangataka ny hahita ny voninahitr' Andriamanitra i Mosesy, dia inona no nampanantenain'Andriamanitra haseho azy? Inona no nitranga avy eo rehefa nanonona ny Anarany tamin'i Mosesy Andriamanitra (Eks. 34:5)?

Misy olona maneho an-tsary ny voninahitr'Andriamanitra tahaka ny fahazavana mamirapiratra tsy azo atonina; azo antoka ny fahamarinan'izany fanoritsoritana izany. Mihoatra noho ny zavatra hita maso fotsiny anefa ny voninahitr Andriamanitra; ny voninahiny dia ny toetrany. Tahaka izany koa ny Anarany.

Raha milazalaza ny amin'ny vahoaka sisa manana ny anaran'Andriamanitra voasoratra eo amin'ny handriny ny Baiboly, dia tsy anarana misoratra eo ara-bakiteny tsy akory no tiany hambara fa fananana ny toetran'Andriamanitra voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po, mba hanehoantsika taratra ny fitiavan Andriamanitra sy ny toetrany eo amin'ny fiainantsika. Efa nosintonina hanakaiky an'Andriamanitra ianao, ary tia Azy amin'ny maha-Andriamanitra Azy sy noho izay efa nataony ho anao.

Tsara homarihina koa fa rehefa nanonona ny toetrany tamin'i Mosesy Andriamanitra, dia nataony tamin'ny fotoana nanolorany an'i Mosesy ny dika mitovin'ny Didy folo izany, izay Toetrany voarakitra an-tsoratra. Tahaka izany koa, ireo olona izay manana ny "anaran’Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 14 dia voalaza fa "mitandrina ny didin'Andriamanitra." Rehefa izay, dia mariho izay voasoratra ao amin'ny Hebreo: "Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehôvah : hataoko ao am-pony ny lalako, sady hosoratako ao an-tsainy, dia hoy koa Izy: ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony." Heb. 10:16,17. Maneho ny filazantsara tokoa izany: na dia hita taratra eo amin'ny fiainantsika aza ny lalan'Andriamanitra, dia mbola ilaintsika ihany ny tsy hahatsiarovana "intsony" ny fahotantsika.

Maneho ny toetran'Andriamanitra ny Anarany. Ny lalàny môraly dia ny toetrany voarakitra an-tsoratra. Ary ireo izay mivory eo an-tendrombohiny masina amin'ny andro farany dia feno fitiavana an'Andriamanitra, fitiavana izay miseho amin'ny fankatoavana ny Didiny.

Raha toa isika vonjena amin'ny finoana fa tsy amin'ny lalana, mahasoa amin'inona àry ny lalan'Andriamanitra? (Jereo ny 1 Jao. 5:3)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal