Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 22 August 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny namakiana ny lalàna tao Sinay" ao amin'ny PM (ed. 2014), tt. 287-296 sy ny toko faha-29 "I Satana sy ny Lalàn'Andriamanitra."

"Nokendren Andriamanitra ny hahatonga ny fanononany ny Lalana ho toe-javatra lehibe sy mahatahotra; nampisy lanja ny toetra be voninahitry ny lalana izany. Nataony izay hahatsapan'ny olona izany ka izay rehetra mifandraika amin'ny fanompoana Azy dia tsy maintsy hatao amin'ny fanajana lehibe indrindra." - PP, 1. 303.

Mbola manan-kery mandraka ankehitriny izany foto-kevitra momba ny fanajana fatratra izany. Avy amin'ny fahatakarana ny fahalehibeazan'Andriananitra sy ny fahamboniany ary ny fiandrianany izany. Miteraka fankasitrahana ao am-pontsika ny fahitana ny voninahitr Andriamanitra ary mampietry ny avonavontsika. Arakaraka ny ahitantsika akaiky kokoa ny fahamasinan'Andriamanitra no hahatsapantsika ireo kilema sy tsy fahatanterahana eo amin'ny fiainantsika, izay mitarika antsika hangetaheta bebe kokoa ny Fanatrehany manova ary koa haniry ny ho tahaka Azy bebe kokoa.

Ary ny fahafantarantsika fa mifanohitra amin'ny Toetrany sy ny lalåny masina isika dia mahatonga antsika hiantehitra tanteraka amin'ny fahafatesan'i Kristy izay nisolo voina antsika.

Ambaran'i Jesosy mazava koa fa raha mandray an'i Jehôvah amim-panetren-tena ho Tompo sy Mpanjakantsika isika, dia tsy sarotra ny mankato ny didiny (Mat. 11:28-30). Nasehon'i Kristy mazava fa manan-kery mandrakizay ny didin'Andriamanitra (Mat. 5:17-20). Afaka miaina amin'ny fahafenoana ny fanandraman'ny fifandraisana mahavonjy amin'Andriamanitra isika rehefa mitandrina ny Lalany amin'ny fitiavana sy ny fankasitrahana noho ny famonjena izay nomeny antsika maimaimpoana. Azontsika atao ny mifaly amin'ireo tombontsoa lehiben'ny fitandremana ny lalana (jereo rahateo ny fahoriana sy ny zava-tsarotra ateraky ny fandikana izany) ary koa mifaly amin'ny toky azontsika noho ny fahalalana fa ao amin'i Jesosy ny famonjena antsika fa tsy ao amin'ny fitandremantsika ny lalana.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nanampy ny olona hahatakatra ny hevitry ny fanajana fatratra (izay nilainy) ny fiomanana ho amin'ny fandraisana ny lalana. Ankehitriny, ao amin'ny fiangonantsika sy eo amin'ny fiainan'ny fiangonana, misy ve ny fahatsapana fanajana fatratra sy fahatahorana an'Andriamanitra tahaka izany? Sa efa verintsika tsikelikely izany ka tsy hita intsony?

2. Saino bebe kokoa izao fanambarana raketin'ny fanekena izao: "Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko." Inona no hevitr'izany ho antsika amin'izao andro izao, ary ahoana no tokony hanehoana izany, eo amin'ny flainan'ny tsirairay sy amin'ny maha-fiangonana antsika?

3. Omen'Andriamanitra hery isika hahatanterahana izay asainy ataontsika. Ambaran'i Ellen G. White fa "ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa." -HF, t. 341. Ahoana no hampiharantsika izany fampanantenana (dabar) izany?

4. Inona no tokony havalintsika ny tohan-kevitra fandre izay milaza fa efa foana ny lalàna taorian'ny hazo fijaliana? Inona ankapobeny no tena lazain'izy ireo fa efa nofoanana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal