Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.

Daty
Alakamisy 20 August 2026

Vakio ny 1 Kor. 15:54-57. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fandresena ny fahafatesana amin'ny farany?

Fanambarana mahaliana no anombohan'i Paoly ny paragrafy farany ao amin'ny 1 Kor. 15: "Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra."- 1 Kor. 15:50. Maro amin'ny mpamaky ny Baiboly no mampiasa io fanambarana io hoenti-milaza fa i Paoly dia manohana ny hevitra izay milaza fa fanahy tsy misy vatana no mankany an-danitra. Tsy izany mihitsy anefa ny tontolon-kevitra. Ny firafitry ny teny ao amin'ny 1 Kor. 15:50 dia manambara fa ny "nofo aman-dra" dia mifanandrify amin'ny "fahalovana", ary ny "fanjakan'Andriamanitra" kosa dia mifandraika amin'ny "tsy fahalovana". Tahaka izay hita ao amin'ny 1 Kor. 15:42-49, eto koa i Paoly dia mampitaha ny vatana ankehitriny (na ny faty koa aza) amin'ny vatana hatsangana amin'ny maty. Ny vatana alevina dia voamariky ny fahalovana sy ny fahafatesana, fa ny vatana hatsangana kosa dia mitafy tsy fahalovana sy tsy fahafatesana (1 Kor. 15:50, 53, 54). Raha lazaina amin'ny teny tsotra, dia milaza i Paoly fa tsy maintsy mandalo fiovana tanteraka ny tenantsika mba hahafahantsika mandova ny lanitra.

Raha fintinina, dia miresaka momba ny fahalovana sy ny fahafatesana i Paoly mba hanondroana ny toetra maha-mpanota antsika. Eo amin'ny asasoratra jiosy, ny hoe "nofo aman-dra" dia teny fampiasa hanondroana ny olombelona lavo, izay antony tsy maintsy hanovana ny tenantsika sy hanesorana ny tsy fahatanterahana rehetra amin'ny fotoana hiverenan'i Jesôsy .

Rehefa hesorina ny toetra maha-mpanota antsika (1 Kor. 15:54) ary rehefa hotafiana tsy-fahafatesana isika (1 Kor. 15:51-53; 1 Tes. 4:13-17), dia vao ho tanteraka ny fanambarana hoe: "Ny fahafatesana noresena ka levona."- 1 Kor. 15:54. Amin'izay no hihirana izao fihirana mitory fahasahiana sy fihaikana izao: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao?"- 1 Kor. 15:55. Amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany no hitrangan'izany rehetra izany (1 Kor. 15:51, 52).

Eritrereto izao: manakimpy ny masontsika isika rehefa maty, ary ny zavatra ho hitantsika aorian'izany dia ny fiavian'i Jesôsy fanindroany, rehefa hatsangany amin'ny maty isika. Na oviana na oviana no nahafatesan'ny mpino iray, na dia an'arivo taona lasa aza, dia "vetivety, toy ny indray mipi-maso" no hananganana azy "rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana."- 1 Kor. 15:52.

Iza moa no tsy efa nitaraina hoe haingana loatra ny fandehan'ny fiainana? Raha jerena ny fanandramantsika manokana, dia ho toy Izany koa ny fahatsapantsika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Angamba ny eritreritsika voalohany rehefa miverina Izy dla hoe: "Tena haingana tokoa ny fahatongavanao ry Tompo!" Ahoana no anamplan'izany antsika hahatakatra bebe kokoa izay heverina ho "fitaredretry" ny fotoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal