Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 16 November 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 5:17,20,36-40,46,47; Jao. 13:18; Jao. 17:12; Jer. 2:13; Zak. 9:9; Jao. 8:12-30.

Tsianjery: "Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray." - Jao. 5:36.

Hitantsika manerana ny bokin'i Jaona ireo teny rehetra nolazain'i Jesôsy izay manambara fa Izy tokoa no Mesia (hammashiach), Ilay Kristy, Izay tonga teo amin'ny Isiraely. Ary tonga iray tamin'izy ireo tokoa Izy, teraka Jiosy tao Betlehema, dia araka ny efa nambaran'ny Soratra Masina mialoha.

Araka ny nosoratan'i Jaona anefa dia "Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy." - Jao. 1:10.

Nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy hoe? Mahagaga izany fanambarana izany. Ary araka ny hitantsika ao amin'ny Jaona sy ireo filazantsara hafa dia maro tokoa ireo tsy nahalala Azy na dia tokony ho nahalala aza, noho ireo zavatra nataon'i Jesôsy sy nolazainy indrindra, ary satria koa aza, manondro Azy ny Soratra Masina.

Handinika ireo fomba maro hafa nanehoan'i Jaona an'i Jesôsy ho Mesia isika amin'ity herinandro ity, ary koa ny antony mahatonga ny olona sasany mbola handà Azy ihany, na dia eo aza ireo porofo mazava rehetra manambara ny maha-Kristy Azy.

Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny fahadisoan'izy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal