Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Sal. 46; Jer. 4:23-26; Sal. 47:1-4; 1 Tes. 4:13-17; Sal. 75; Apôk. 14:6-12.

Tsianjery:

"Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao." - Sal. 67:3,4.

Manana fironana hifantoka amin'ireo bibidia sy fahefana samihafa ao amin'ny Apokalipsy isika rehefa mieritreritra momba ny toe-javatra hiseho amin'ny farany. Mazava loatra fa mitana toerana manan-danja ireo, raha tsy izany dia tsy ho nanao izany tao amin'ny Baiboly mba hahatakarantsika azy Andriamanitra (jereo ny Apôk. 1:3).

Na izany aza dia resahin'ny faminaniana koa ny lohahevitra manan-danja mifandraika amin'ny fahotana sy ny fahoriana, ny fitsarana, ny ady ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ny toetry ny fahamarinana sy ny tsy rariny, ny fanenjehana, sns.

Miresaka sy mandalina momba ireo toe-javatra ireo koa ny Salamo, ary mandinika araka izay tratrany ny fihetsehampon'ny olombelona hatramin'ny fahakiviana lalina ka hatramin'ny fifaliana feno. Hitantsika ao ny Isiraely miomana hiady amin'ireo herin'ny maizina. Vakintsika ao ny tolona atrehin'ny isam-batan'olona amin'ny fanontaniana ny antony tsy amahan'Andriamanitra mivantana sy amin'ny fomba haingana kokoa ny olan'ny faharatsiana (fanontaniana izay tsy isalasalana fa efa napetratsika koa). Ampitodihana amin'ny fitoerana masina isika mba hahita ny valin'izany; hita ao koa ny antso miverimberina mahakasika ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra. Moa ve tsy toe-javatra sy fanontaniana itolomantsika koa ireo amin'izao androntsika izao?

Eny tokoa, izany no antony anohizantsika ny famelabelarana ny Salamo mba hianarana bebe kokoa ny amin'ireo fahamarinana tena manan-danja ireo.

*Famerenana ny lesona ny sabata 31 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal