Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.

Daty
Alakamisy 29 May 2025

Vakio ny Sal. 67. Ahoana no anampian'io hira fideran'ny Salamo io anao hahatakatra ny anjara asan'ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 14:6-127.

Ny injeniera ao amin'ny MIT dia namorona loko mainty, ka ny zavatra rehetra izay lokoina amin'izany dia saika tsy hitan'ny maso intsony. Noforonina avy amin'ny "nanotube" izany loko izany ka mainty lavitra noho izay zavatra mainty nisy hatrizay. Afaka misintona ny 99,995 isanjaton'ny fahazavana hita maso rehetra io zava-baovao noforonin'izy ireo io. Eny fa na ny tara-pahazavana mazava indrindra aza dia tsy ahitana ny zavatra nolokoina amin'izany loko izany.

Miantomboka amin'izao antso izao, izay miantefa amin'Andriamanitra, ny Sal. 67: mba "hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao." and. 1,2. Ao amin'ny drafi-pamonjena, dia nanao lalana Andriamanitra mba hahafahan'ny mpanota mankeo amin'ny fanatrehany be voninahitra nefa tsy ho ringan'izany voninahiny izany; ary na dia ankehitriny aza, amin'izao fiainana izao, dia ny hazo fijalian'i Kristy no mahatonga ny tavan'Andriamanitra hamirapiratra amintsika.

Mihoatra noho izany anefa, irin'Andriamanitra ny hanehoantsika taratra ny fahazavany amin'izao tontolo rehetra izao. Izany no asa nampanaovina ny Isiraely: natao trano fivavahana ho an'ny firenen-drehetra ny tempoly: "Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra." - Isa. 56:7.

Ampahatsiahivin'i Davida antsika ao amin'io Salamo io fa irin'Andriamanitra "mba ho fantatra ety ambonin'ny tany" ny Lalany sy ny famonjeny (Sal. 67:2). Mampalahelo fa matetika no tsy mahomby amin'ny fanatanterahana izany asa izany ny olombelona. Ahitana toko feno fahamaizinana ny tantaran'ny Isiraely ao amin'ny Testamenta Taloha, tahaka izany koa ny tantaran'ny fiangonana kristianina tao anatin'izay roa arivo taona izay. Toy ny hoe nolokointsika mainty tamin'ny loko faran'izay mainty ny fontsika ka misintona fotsiny ny fahazavana alefan'Andriamanitra fa tsy mitaratra izany.

Indraindray isika dia mihevitra ny fihetsehana naorin'Andriamanitra ho an'ny andro farany ho tahaka ny toeram-piandrasana voatokana ho an'ireo mpandeha fiaramanidina matetika, ary toa ampy antsika ny fahitana fa tsy maintsy mipetraka ao amin'io toeram-piandrasana sidina feno tabataba io ny olona rehetra nefa tsy vonona ho amin'ny dia lavitra miandry azy akory. Tsy mianina amin'ny fitsanganana eo Ziona miaraka amin'i Kristy mba hifaly amin'ny fanatrehany fotsiny anefa ny fiangonana sisa ao amin'ny Apôk. 14. Tsy izany, fa mitety ny vazan-tany izy ireo mba hiantso an'izao tontolo izao hiara-kitsangana aminy eo an-tendrombohitra masin 'Andriamanitra.

Inona ny andraikitra tsapantsika manokana sy amin'ny maha-fiangonana antsika manoloana ny fampianarana ny hafa momba ireo fahamarinana ankamamiantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal