Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.

Daty
Alakamisy 29 May 2025

Vakio ny Sal. 67. Ahoana no anampian'io hira fideran'ny Salamo io anao hahatakatra ny anjara asan'ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 14:6-127.

Ny injeniera ao amin'ny MIT dia namorona loko mainty, ka ny zavatra rehetra izay lokoina amin'izany dia saika tsy hitan'ny maso intsony. Noforonina avy amin'ny "nanotube" izany loko izany ka mainty lavitra noho izay zavatra mainty nisy hatrizay. Afaka misintona ny 99,995 isanjaton'ny fahazavana hita maso rehetra io zava-baovao noforonin'izy ireo io. Eny fa na ny tara-pahazavana mazava indrindra aza dia tsy ahitana ny zavatra nolokoina amin'izany loko izany.

Miantomboka amin'izao antso izao, izay miantefa amin'Andriamanitra, ny Sal. 67: mba "hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao." and. 1,2. Ao amin'ny drafi-pamonjena, dia nanao lalana Andriamanitra mba hahafahan'ny mpanota mankeo amin'ny fanatrehany be voninahitra nefa tsy ho ringan'izany voninahiny izany; ary na dia ankehitriny aza, amin'izao fiainana izao, dia ny hazo fijalian'i Kristy no mahatonga ny tavan'Andriamanitra hamirapiratra amintsika.

Mihoatra noho izany anefa, irin'Andriamanitra ny hanehoantsika taratra ny fahazavany amin'izao tontolo rehetra izao. Izany no asa nampanaovina ny Isiraely: natao trano fivavahana ho an'ny firenen-drehetra ny tempoly: "Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra." - Isa. 56:7.

Ampahatsiahivin'i Davida antsika ao amin'io Salamo io fa irin'Andriamanitra "mba ho fantatra ety ambonin'ny tany" ny Lalany sy ny famonjeny (Sal. 67:2). Mampalahelo fa matetika no tsy mahomby amin'ny fanatanterahana izany asa izany ny olombelona. Ahitana toko feno fahamaizinana ny tantaran'ny Isiraely ao amin'ny Testamenta Taloha, tahaka izany koa ny tantaran'ny fiangonana kristianina tao anatin'izay roa arivo taona izay. Toy ny hoe nolokointsika mainty tamin'ny loko faran'izay mainty ny fontsika ka misintona fotsiny ny fahazavana alefan'Andriamanitra fa tsy mitaratra izany.

Indraindray isika dia mihevitra ny fihetsehana naorin'Andriamanitra ho an'ny andro farany ho tahaka ny toeram-piandrasana voatokana ho an'ireo mpandeha fiaramanidina matetika, ary toa ampy antsika ny fahitana fa tsy maintsy mipetraka ao amin'io toeram-piandrasana sidina feno tabataba io ny olona rehetra nefa tsy vonona ho amin'ny dia lavitra miandry azy akory. Tsy mianina amin'ny fitsanganana eo Ziona miaraka amin'i Kristy mba hifaly amin'ny fanatrehany fotsiny anefa ny fiangonana sisa ao amin'ny Apôk. 14. Tsy izany, fa mitety ny vazan-tany izy ireo mba hiantso an'izao tontolo izao hiara-kitsangana aminy eo an-tendrombohitra masin 'Andriamanitra.

Inona ny andraikitra tsapantsika manokana sy amin'ny maha-fiangonana antsika manoloana ny fampianarana ny hafa momba ireo fahamarinana ankamamiantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal