Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 23 November 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 1:4; Jao. 10:10; Jao. 1:12, 13; Jao. 6:61-68; Nom. 13:23-33; Mat. 4:1-4.

Tsianjery: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jao. 14:6

Rehefa nanontaniana ny mombamomba Azy i Jesôsy, ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, dia novaliany tamin'ny fomba fiteny manondro an’Andriamanitra izany. Tsy isalasalana ny maha-teny manondro an'Andriamanitra ny "IZAHO", Izy ilay niseho tamin'i Mosesy tao anatin'ny roimemy mirehitra. Hoy Izy tamin'i Mosesy: "IZAHO, IZAY IZY - Eks. 3:14. Ary io Andriamanitra io ihany, ilay "IZAHO" no "tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana." - Jao. 1:14.

Hita manerana ny filazantsaran'i Jaona ny hoe "IZAHO no...". Maneho taratra izany lohahevitra izany ny tsianjery mandritra ity herinandro ity: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana" Jao. 14:6. Ilay "IZAHO" no Fahazavan'izao tontolo izao, Mofon'aina, Vavahadin'ondry, Mpiandry tsara ary tena Voaloboka.

Hotohizana amin'ity herinandro ity ny fanambarana momba an'Andriamanitra araka ny filazantsaran'i Jaona. Hodinihintsika misimisy kokoa koa ny lafiny ilany amin'ny toe-javatra; na dia teo aza mantsy ny porofo mihariharin'ny maha-Mesia an'i Jesôsy dia nandà Azy ny olona sasany. Antony roa no handinihantsika izany: mba tsy hanaovantsika izany fahadisoana izany, ary koa mba hisaintsainantsika ny fomba hahafahana manatratra ireo olona tandindomin-doza hanao izany fahadisoana izany koa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal