Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Izy no nisiam-piainana

Daty
Alahady 24 November 2024

Ambaran'ilay apôstôly mazava ao amin'ny Jao. 1:1 fa Andriamanitra i Jesôsy, Zanak’Andriamanitra Izy. Araka izany, ny fiainana ao amin'ny hoe "Izy no nisiam- piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona" Jao. 14, dia manondro ny fiainan’Andriamanitra amin'ny maha-mandrakizay Azy. Noho ny fananany ny fiainana, dia azony atao ny manolotra ny Ainy sy mandray izany indray (Jao. 10:17). Ary noho ny fananany fiainana ao Aminy, dia azony atao ny manome fiainana ho an'izay tiany (Jao. 5:21; ampitahao amin'ny Jao. 14:19).

In-36 no ahitana ny teny hoe "fiainana" (zoē) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona; mandrafitra ny 25 isanjaton'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany. Ao amin'ny Jao. 1:4,5, ankoatra ny firesahana momba ny loharanon'ny fiainana eto amin'ny planeta misy antsika, dia misy ifandraisany amin'ny famonjena koa izany teny izany. Manerana ireo toko ambiny ao amin'ny filazantsaran'i Jaona kosa, dia matetika ny "fiainana" (zoë) no atao hoe "fiainana mandrakizay, ilay teny fikasan'ny famonjena (jereo ny Jao. 3:15,16,36; Jao. 4:14,36; Jao. 5:27,40,47,54,68; Jao. 10:27,28). Araka izany, ilay nanolotra fiainana tamin'ny famoronana ihany no llay mitondra famonjena, fiainana mandrakizay, ho an'ny tontolo iray very.

Nahoana i Jesôsy no tonga teto amin'ity tany ity? Jao. 1:29; Jao. 3:16: Jao. 6:40; Jao. 10:10; Jao. 12:27.

"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14,15.

Tahaka ny nakan'ilay menarana varahina ny toeran'ireo Isiraelita voakaikitry ny menarana no nakan'i Jesôsy ny toerantsika, isika izay noratrain'ny fahotana. Noraisiny ny famaizana tokony ho antsika mba hananantsika ny fiainana izay ao Aminy.

Irin'i Kristy koa ny hananantsika fiainana ary hananantsika izany be dia be (Jao. 10:10). Koa amin'izany, "izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra." - Jao. 1:12,13.

Tonga mba haneho amintsika ny Ray i Kristy. "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Jao. 1:18. Mahita ny toetran'ny Ray isika rehefa mahita ny toetran'i Jesôsy.

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fiainan'i Jesôsy. Inona ny mahakasika ny toetran'ny Ray? Nahoana no vaovao mahafaly izany fanambarana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal