Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 23 August 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 21:1-32, Eks. 22:16-23:33, 2 Mpanj. 19:35, Mat. 5:38-48, Rom. 12:19, Mat. 16:27.

Tsianjery:

"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko." - Eks. 20:22,23.

Tian'Andriamanitra ny hiavahan'ny vahoakany amin'ireo firenena manodidina azy. Tiany haorina ho fikambanan'ny mpino feno fanoloran-tena, izay handeha eo ambanin'ny fitarihany sy ny fahefany izy ireo. Hilefitra eo ambanin'ny lalàny ny rehetra. Nisy mpitsara notendrena hiandraikitra ny fampiharana ny lalàna, ary ny mpisorona no hampianatra izany. Nitana anjara toerana lehibe koa ny ray aman-dreny.

Ao amin'ny kolontsaina rehetra, ny lalàna dia manambara ny firehan-kevitra, ny tanjona kendrena, ny fikasan'ilay mpanao lalana, ary ny toetrany. Ohatra, rehefa namoaka didy ny hamonoana ny zazalahy Hebreo rehetra i Farao, dia nampiseho ny toetrany io lalàna io: toetra ratsy. Raha mamoaka lalana kosa ny mpanjaka fa izay olona 18 taona rehetra ao amin'ny fanjakana dia hahazo fanabeazana ambony maimaim-poana, dia maro no handray izany ho porofon'ny fahalalahan-tanan'ny mpanjaka sy ny faniriany hampandroso ny fireneny.

Manambara ny tenany ny lalàn'Andriamanitra, izany hoe, ny fahatsarany, ny fitiavany, ny fahendreny, ny fahamarinany, ary ny fanoherany ny faharatsiana. Satria masina sy marina ny lalana, dia toy izany koa Andriamanitra. Sady mitondra fiainana be dia be ho antsika ny lalàna, no miaro antsika amin'ny loza sy ny fahavoazana. Ny fanajana an'Andriamanitra sy ny hafa ary ireo soatoavina eo amin'ny fiainana no fototry ny lalàn'Andriamanitra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 30 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal