Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.

Daty
Alahady 24 August 2025

IREO LALAN'NY FANEKENA

Rehefa nanome ny lalàny tao Sinay Andriamanitra, dia nametraka fototra mba hampianarana ny vahoakany mikasika ny fomba mety hananan'izy ireo fiainana masina amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy. Kanefa natao hampiharina teo amin'ny fiainana andavanandro ireo fitsipiky ny lalàna, koa nanome lalana fanampiny azy ireo Andriamanitra, ilay antsoina hoe "Bokin'ny lalàna". Anjaran'ny mpitsara ny miandraikitra sy manara-maso ny fampiharana ireo lalàna ireo araka ny tokony ho izy.

"Tsy vonona hankamamy ireo fitsipika feno hevi-dalina voaafina ao amin'ireo didy folon'ny lalan'Andriamanitra akory i Isiraely, fa efa donto sy simban'ny fanandevozana elabe sy ny fifampikasohana tamin'ny fanompoan-tsampy ny sainy. Nomen'Andriamanitra didy fanampiny hoenti-manazava ny hevitra raketiny sy ny fanatanterahana izany izy mba hanampy azy hahafantatra bebe kokoa ny toetrany sy ny fitandremana izany. Nantsoina hoe 'Bokin'ny lalàna' ireny didy fanampiny ireny matetika, satria voalohany, nodinihina tamim-pahendrena sy fahamarinana fatratra izy ireny, faharoan'izany, raha hamoaka didy ny mpitsara, dia tsy maintsy mijery azy. Nisaraka tamin'ny didy folo izy ireny, ka i Mosesy no nampita azy tamin'ny olona." - PM, ed. 1985, t. 296.

Vakio ny Eks. 21:1-32. Inona avy ireo fitsipika manokana nomena momba ireo andevo Hebreo, ny vonoan'olona, ary ny ratra ara-batana?

Toko maromaro no manoritsoritra izay voalaza ao amin'ny Bokin'ny lalàna (Eks. 21:1-23:19). Navoaka ireo didy amam-pitsipika rehetra ireo mba hampitsaharana ny fihanaky ny faharatsiana sy hampirindra ny fiarahamonina.

Miavaka tokoa ireo lalàna momba ny fanandevozana ary tsy tokony hafangaro amin'ny fanao ratsy sy feno halozana araka ny fanandevozana moderina na tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany. Ny andevo Hebreo dia tena narovana sy nomen-danja. Teo amin'ny fiaraha-monina moderina sy tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany, ny mpanompo sy ny andevo dia fananan'ny tompony, izay afaka nanao izay tiany tamin'izy ireo. Tsy mba toy izany kosa ny lalana ara-Baiboly. Voafetra ho enin-taona ny fanompoana (Eks. 21:1,2; Jer. 34:8-22), ary ny taona fahafito dia tsy maintsy nafahana ny andevo rehetra raha tsy hoe angaha te hijanona miaraka amin'ny tompony izy. Tsy maintsy nanome azy ireo Sabata tsy hiasana koa ny tompony (Eks. 20:9,10), ary nanome azy ireo zavatra fototra ilainy amin'ny fiainana.

Na dia efa nofoanana ara-dalàna aza ny fanao ratsy amin'ny fanandevozana any amin'ny ankamaroan'ny firenena eto amin'izao tontolo izao, dia inona avy ireo fomba ratsy sasany mbola misy hatrany mandraka ankehitriny, ary inona no azontsika atao eo amin'ny faritra misy antsika, mba hiadiana amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal