Niatrika ny fihaikana nanjo ireo mpaminanin'ny Baiboly maro ny faneken'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana nananan'i Ellen G. White, nanomboka tamin'ny fotoana nandraisany izany mandraka androany. Taorian'ny fahitana voalohany azony tamin'ny Desambra 1844, dia nisy ireo nisalasala momba ny maha-mpaminany azy. Izany no nahatonga ireo Advantista mitandrina ny Sabata (izay tonga Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tatỳ aoriana) namolavola tohan-kevitra milaza fa manana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana i Ellen G. White.
Voalohany, dia nanolotra fanazavana ara-teolojia izy ireo momba ny faharetan'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana mandra-pahatonga ny farany. Araka ny hevitr'izy ireo, dia manohana ny fisian'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana amin'izao andro moderina izao ny Baiboly. Araka ny Joe. 2 sy ny Apôk. 12:17 ary ireo andalan-tSoratra Masina hafa, dia ho hita amin'ny "andro farany" ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ary ho tonga "marika famantarana" ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany izany. (Jereo ny "The Gift of Prophecy and God's Remnant Church," The Gift of Prophecy, toko faha-4, nosoratan'i Gerhard Pfandl.)
Faharoa, dia tsikaritr'ireo Advantista voalohany fa nisy fiantraikany tsara teo amin'ny mpino ny fanomezam-pahasoavana nananan'i Ellen G. White. Ny hevitra ara-paminaniana nambarany, ohatra, dia nanampy tamin'ny fampiraisana ireo izay nanatrika ny fihaonan'ireo mpino advantista voalohany tamin'ny faramparan'ny taona 1840, rehefa nisy ny tsy fitovian-kevitra momba ny foto-pampianaran'ny Baiboly teo amin'izy ireo. Mbola nitohy nitondra "voa tsara" ny fanomezam-pahasoavany nandritra ireo folo taona manaraka, ary mbola manan-kery hatrany ao anivon'ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny asa sorany.
Tohan-kevitra fahatelo momba ny maha-mpaminany an'i Ellen G. White ny fisehoan-javatra mihoatra ny herin'olombelona nandritra ireo fotoana nahitany fahitana. Raha tao anatin'ny fandraisana ny fahitana izy, araka izay efa voalaza tany aloha, dia nisy fisehoan-javatra niavaka: nilaza zava-misy sy toe-javatra tsy fantany izy, nanambara ny zavatra hitranga amin'ny hoavy, naneho hery mihoatra noho ny an'olombelona, ary tsy afaka nifehy ny fotoana na ny faharetan'ny fahitana nomena azy; santionany ihany ireo.
Mbola manasongadina ireo porofo ireo hatrany ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ankehitriny ho fanamafisana fa marina tokoa ny fanomezam-pahasoavana ananan'i Ellen G. White. Marina ireo tohan-kevitra ireo, kanefa misy "porofo" mahery vaika kokoa manamarika fa manana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana i Ellen G. White: ny fanandramana manokana amin'ny famakiana ny asa sorany. Hoy ny fanasan'i Davida mpanao Salamo hoe: "Andramo ka izahao fa tsara Jehôvah " - Sal. 34:8. Ny famakiana arahim-bavaka ny asa soratr'i Ellen G. White ihany no ahafahantsika manombana marina ny maha-mpaminany azy na tsia.
Ny boky kely nefa fanta-daza izay nosoratany no azo anombohana izany: Ny dia ho eo amin'i Kristy. Aorian'izany dia azo vakina ireo boky dimy nosoratany izay manaraka ny lohahevitra momba ny "fifanandrinana lehibe," manomboka ao amin'ny Genesisy ka hatrany amin'ny Apokalypsy. Ny asa sorany dia misy amin'ny endrika boky sy amin'ny endrika elektronika (jereo ny EGW Writings.org) ary efa voadika amin'ny tenim-pirenena maro izany.