Matetika ny olona no mihevitra ny mpaminany ho olona mahay milaza mialoha ny hoavy, kanefa izany dia ampahany iray monja amin'ny asan'ny mpaminany. Misahana zavatra maro noho izany ny mpaminany. Mitarika ny olona hiverina amin'ny Tenin'Andriamanitra izy, manome torohevitra sy fampitandremana ary fampaherezana.
Ankoatra ny fanampiana ny olona hahafantatra ny hoavy sy hiomana ho amin'izay hitranga amin'izany, nahoana ny mpaminany no milaza mialoha ny hoavy? Jereo ny Jer. 28:9, 15–17.
Fomba iray hafa hizahan-toetra ny mpaminany ny fahatanterahan'ny faminaniana ambarany. Tokony hitranga araka izay nanambarany azy ny faminanian'ny tena mpaminany marina: "Raha miteny amin'ny anaran'i Jehôvah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehôvah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy."- Deo. 18:22. Mety ho sarotra ampiharina izany fizahan-toetra izany, satria misy ny faminaniana misy fepetra; izany hoe, mety tsy ho tanteraka araka izay nolazain'ny mpaminany izany raha toa ka tsy feno ny fepetra hahatanteraka azy.
Hitantsika izany fitsipika izany ao amin'ny tantaran'i Jona sy ny fampitandremany an'i Ninive. Toa fohy nefa manaitra ny toriteniny: "Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive." - Jôna 3:4. Kanefa tsy tanteraka araka izay nambarany izany. Nahoana?
Vakio ny Jer. 18:7–10. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny faminaniana misy fepetra?
Ny faminaniana misy fepetra dia faminaniana izay miankina amin'ny valintenin'ny olona manoloana ny hafatr'Andriamanitra. Raha miova ny toetran'ny olona sy ny fitondrantenany, dia mety tsy ho tanteraka ilay zavatra nambara. Nandray am-po ny fampitandreman'i Jona ireo mponin'i Ninive ka niova, noho izany dia tsy nandringana azy ireo Andriamanitra (Jôna 3:10). Rehefa hadinon'ny taranaka tatỳ aoriana izany fampitandremana ara-paminaniana izany, ary niverina ho tanàna ratsy fanahy sy lozabe indray i Ninive, dia noravan'Andriamanitra izy. Fantatr'Andriamanitra ny hoavy, fa isika kosa tsy mahalala izany. Mamaritra betsaka ny hoavintsika ny safidintsika.
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny foto-kevitry ny faminaniana misy fepetra? Ahoana no ahafahan'izany manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly?