Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 28 November 2025

FIANARANA FANAMPINY:

Vakio ny "Mifarana ny ady" ao amin'ny HM, tt. 699-706 (ed. 1983).

"Ho voavonjy mandrakizay isika rehefa hiditra eo amin'ireo vavahady mankao armin'ilay tanána. Dia hifaly isika satria voavonjy, voavonjy mandrakizay. Mandra-pahatonga izany anefa, dia ilaintsika ny hitandrina fatratra ny toromariky ny apostoly manao hoe: 'Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany."- Heb. 4:1. Tsy nitondra ireo zanak'Isiraely tany amin'ny tanimboaloboka sy ny sahan'oliva tao arnin'ilay Tany Nampanantenaina ny fahafantaran'izy ireo ny tany Kanana sy ny fihirany ny hiran'i Kanana ary ny fifaliany teo am-pisaintsainana ny fidirana mankao. Tsy ho azy ireo marimarina tokoa ny tany raha tsy maka izany izy, manaja ireo fepetra, manana finoana velona an'Andriamanitra ary mandray ho an'ny tenany ireo teny fikasan'Andriamanitra." -YI, 17 Febroary 1898.

"Ao amin'ny Baiboly ny lovan'ny voavonjy dia atao hoe: 'taniny' - Heb. 11:14-16. Any Ilay Mpiandry ondrin'ny lanitra no mitarika ny andian'ondry ho eo amin'ny loharanon'ny ranon'aina. Mamoa isam-bolana ny hazon'aina, ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin'ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an'ny navotan'i Jehôvah . Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr'Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin'ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron'ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan'Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy." - HM, t. 702 (ed. 1983).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino ny amin'ny Tany Nampanantenaina amin'ny maha tandindon'ny fiainana be dia be azy, izay nampanantenain'i Kristy an'ireo mpanara-dia Azy ao amin'ny Jao. 10:10. Ahoana no anehoan'ireo tombontsoan'ny fiainana ao amin'ny tany manan-karena iray ny fitahian'ny famonjena?

2. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny maha-olom-pirenen'ny tany iray sy ny fananana fomba fiaina iray? Ahoana no fiantraikan'ny andaniny amin'ny ankilany? Midika inona izany hoe olom-pirenen'ny fanjakan'Andriamanitra?

3. Amin'ny maha-olombelona antsika, dia mandiso fanantenana antsika mandrakariva ny fampanantenana ataon'ny hafa, ary indraindray koa isika mandika ny fampanantenana ataontsika amin'ny tenantsika. Nahoana anefa no azonao itokiana ny fampanantenana ataon'Andriamanitra?

4. Ahoana no hahafahantsika mandray ny teny fikasana momba ny tany vaovao ho tena zava-misy amin'ny hoavy, eny fa na eo amin'ny fiainantsika ankehitriny koa aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal