Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.

Daty
Talata 26 May 2026

Ahoana no hamaritanao sy hanoritsoritanao ny fahotana amin'ny olona iray tsy Kristianina? Ahoana no amaritan'ny Baiboly ny fahotana? Vakio ny Rôm. 3:20 sy ny 1 Jao. 3:4.

Ny fahotana dia fandikana ny lalàn'Andriamanitra (1 Jao. 3:4), ary fironana ao anatintsika koa izany (Sal. 51:5; Jer. 17:9). Araka izany, ny lalàna no mampiseho mazava ny tena toetry ny fahotana. Toy ny fanaovana solomaso mba hahitana mazava izay manodidina antsika, na koa ny fampiasana fitaratra mba hahitantsika ny sarintsika izany. Mitondra fahazavana sy fandresen-dahatra eo amin'ny fiainantsika sy ny toetrantsika ny lalàna, ary asehony antsika miaraka amin'izany ny toetran'Andriamanitra sy izay zava-dehibe Aminy.

Ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no nanoratra ny didy folo (Eks. 20:3-17). Namerina nilaza ny lanjan'ireo didy ireo i Jesôsy: "koa tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6:4,5). Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo." - Mar. 12:30,31. Izao no nanampiany izany: "izany didy roa izany no ihantonan'ny Ialana rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:40.

Ny tenin'Andriamanitra tamin'ny Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay sy ho antsika ankehitriny (Heb. 1:1,2) dia mampiseho fa mahakasika indrindra ny fifandraisana ny lalana. Nomen'Andriamanitra ny lalàna ho fefy hiarovana ny fifandraisantsika Aminy sy amin'ny hafa. Nasehon'i Satana tamin'ny endriny tsy izy anefa ny hatsaran'ny lalan'Andriamanitra mba hahitan'ny olona sasany azy ho toy ny enta-mavesatra. Fisehoana ho fatra-panara-pitsipika no matetika ampifandraisina amin'ny lalana fa tsy fitiavana sy fahalalahana; nefa ny Baiboly dia milaza izao teny izao amintsika: "Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3.

1. Raha eo amin'ny maridrefy 1 ka hatramin'ny 5, hatraiza ny hasarobidin'ny Tenin'Andriamanitra velona (sy ny lalàna izay tafiditra ao anatin'izany) amiko? 
2. Rehefa mieritreritra momba ny lalan'Andriamanitra aho, maneritery ahy ve izany sa mampahatanjaka ahy? Ahoana no hahatakarako bebe kokoa ny lalàna raha toa tsapako fa maneritery ahy izany? 
3. Inona no mety hitranga raha toa ny lalarn-pitiavan'Andriamanitra apetrako ho ivon'ny fiainako sy ny ankohonako ary ny fiangonana misy ahy? Mety hanova Inona eo amin'ny fiainako sy ny fifandraisako amin'ny hafa izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal