Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiaro mandrakariva ny fanekena nataony

Daty
Alarobia 17 January 2024

Miteraka fanontaniana manan-danja ny Johahevitry fitsaran'Andriamanitra: ahoana no hihavanan'ny vahoakan'Andriamanitra amin' Andriamanitra sy hananany toky ný amin'ny famonjena amin'ny fotoam-pitsarana? Vakio ny Sal. 94:14; Sal. 105:7-10; Dan. 7:22.

Voaro ny vahoakan'Andriamanitra satria nataon'Andriamanitra ho fonenany i Ziona (Sal. 76:1, 2) ary naoriny amin'izy ireo amin'ny maha-fananany sarobidy azy ny fanekeny mandrakizay (Sal. 94:14; Sal. 105:8-10). Manome toky ny vahoaka izay nanaovany fanekena Andriamanitra fa tsy hahafoy azy ireo. Tsy izany ihany anefa no ataony fa manao izay hihazonana azy ireo ho eo Aminy Izy mba hahatonga azy ireo hitoetra tsara. Mamela ny helok'izy ireo Izy (Sal. 103:3); manoro lalana sy mitahy ary manome hery ny olony Izy (Sal. 25:8-11; Sal. 29:11; Sal. 105:24). Natao ny fitsaran'Andriamanitra mba hampitodihana ny olona ho amin'ny fahamarinana sy hanehoana fa mihevitra azy ireo Andriamanitra (Sal. 94:8-15).

Ny Sal. 105 ankapobeny dia maneho ny fahatokian'Andriamanitra tamin'ny fanekeny teo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Teo Andriamanitra tao anatin'ny toe-javatra rehetra, na ny tsara na ny ratsy. Izy no nitantana an'i Josefa hankany Egipta ary tamin'ny alalan'i Josefa no namonjeny ny olony sy ny firenena tany amin'izany tany izany nandritra ny mosary lehibe (Sal. 105:16-24). Jehovah no nampiandraikitra an'i Mosesy ny fitarihana ny olony hiala tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina. Nataony ho azy ireo tamin'ny famantarana maro sy fahagagana izany (Sal. 105:25-38).

Nomen'Andriamanitra ny vahoakany ny Tany Nampanantenaina (Sal. 105:11, 44) ary nampitoeriny teo amin'izy ireo mandrakariva ny fiarovany (Sal. 105:12-15). Nampitombo isa azy ireo Izy (Sal. 105:24), nanafaka azy tamin'ireo tompony (Sal. 105:37,38), ary nanome izay nilainy isan'andro (Sal. 105:39-41). Tsy isalasalana ny fifehezan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpanjaka Azy ny zavatra rehetra mahakasika ny olony - fahamarinana izay tian'ny mpanao Salamo hotsaroan'ny vahoakan'Andriamanitra mandrakariva izany.

Rehefa mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra, dia mihoatra lavitra noho ny fahatsiarovana izany satria miteraka asa mandrakariva (Gen. 8:1; 1 Sam. 1:19; Sal. 98:3; Sal. 105:42-44). Tahaka izany koa, rehefa nantsoina mba hahatsiaro ireo fahagagana nataon'Andriamanitra sy ny fitsarana ny olona, dia midika izany fa tokony hivelona amin'ny fomba izay manome voninahitra an'Andriamanitra izy ireo.

Ao amin'io fanekena io, ny antso voalohany indrindra miantefa amin'ny Isiraely dia ny hitoerany ho mahatoky amin'ny fanekena amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra (Sal. 78:5-7; Sal. 105:45). Antsoina koa ireo vahoakan'Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelony any amin'ny firenena hafa, satria iriny ny hikambanan'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely olony (Sal. 105:1,2). Amin'izany no hahatonga an'izao tontolo izao ho voaro amin'ny faneken'ny fiarovan'ilay Andriamanitra Tsitoha sy be indrafo (Sal. 89:28-34).

Inona no ananantsika ao amin'i Jesôsy, izay maneho ny antony hahatanterahan'ireo teny fikasana nomena ny Isiraely fahiny amintsika? (Jereo ny Gal. 3:26-29).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal