Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMITAKA I LOSIFERA - MANDRESY I KRISTY

Daty
Alatsinainy 01 April 2024

Tsy misy fanazavana mitombina ny anriin'ny antony namelan’i Losifera, ilay anjely tonga lafatra, ny avonavona sy ny fialonana hamaka tao am-pony sy ho tonga fikomiana amin’ny Mpamorona azy. Niova ho fikomiana ny avonavon’i Satana. Nampangainy ho tsy marina sy mitanila Andriamanitra. Niampita tamin’ireo anjely ny fisalasalany sy ny fanendrikendrehany.

Vakio ny Apôk. 12:4. Inona no ambaran'io andininy io momba ny fahaizan'i Satana mamitaka? Anjely firy no lavo noho ny lainga nataony momba an'Andriamanitra?

Rehefa nipoaka ny ady tany an-danitra dia tsy maintsy nisafidy ny anjely – hanaraka an’i Jesôsy ve izy ireo sa i Losifera? Nanao ahoana ny toetr’io ady tany an-danitra io? Ady ara-batana ve izany sa ady ara-kevitra sa izy roa? Tsy fantatsika ny tsipiriany saingy ara-batana ilay ady matoa “nazera" i Satana sy ny anjeliny nony farany ary “tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra" -Apôk. 12:8,9. Mazava fa misy singa azo tsapain-tanana ao amin’io ady io.

Zavatra iray no azo antoka momba ny ady tany an-danitra. Tsy maintsy nanapa-kevitra ny anjely tsirairay na hiandany amin i Kristy na tsia. Hanaraka an'iza izy ireo? Feon’iza no hohenoiny? Nifidy hankatô ireo didim-pitiavan'i Kristy ny anjely mahatoky, fa ny ampahatelon'ireo anjely kosa nihaino ny feon'i Losifera, tsy nankatô an'Andriamanitra ka veriny ny lanitra. Isika koa, amin’izao vanim-potoana sarotra amin’ny tantaran'ny tany izao. dia antsoina hisafidy na hiandany amin’i Kristy na tsia. Natao hanambara ny toerana misy antsika koa isika – na an’i Kristy na an’i Satana.

Vakio ny Gen. 2:15-17, Eks. 32:26, Jos. 24:15, 1 Mpanj. 18:20, 21, ary ny Apôk. 22:17. Inona ny foto-kevitra lehibe ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fifanandrinana lehibe?

Rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra dia nataony lalina tao an- dohantsika ny fahafahana misaina sy mandanjalanja ary misafidy. Ny tena fototry ny maha-olombelona antsika dia ny fahafahantsika manao safidy ara-pitondran- tena. Tsy milina tsy akory isika. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika eo amin ny fahafahantsika manao safidy ara-pitondran-tena sy miaina araka ireo foto-kevitra ara-panahy mandrakizay; tsy tahaka ny biby no namoronana antsika. Hatramin’ny nikomian’i Losifera tany an-danitra dia niantso ny vahoakany Andriamanitra hamaly ny fitiavany sy hankatô ny didiny amin’ny fisafidianana hanompo Azy.

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin’ilay ady niseho tany an-danitra, izay mifandray ny ady ataon’ny tenantsika manokana amin’ny ratsy? Raha azon'i Satana natao ny namitaka ireo anjely marina sy masina tany an-danitra ireo, inona no ambaran'izany momba ny fiezahany hamitaka antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal