Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampianara anay hanisa ny andronay

Daty
Alatsinainy 19 February 2024

Vakio ny Sal. 90, Sal. 102:11, sy ny Sal. 103:14-16. Inona no tena olan'ny olombelona?

Tsy inona fa zavona ihany ny fiainan'ny olombelona raha miolotra amin'ny mandrakizay. "Tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina" - Sal. 90:4, izay maharitra adiny telo na adiny efatra ny arivo taona eo imason'Andriamanitra. Mihelina sy manidina ny androm-piainan'ny zanak'olombelona raha oharina amin'ny andron'Andriamanitra (Sal. 90:10). Ny mahery indrindra amin'ny olombelona dia toy ny zava-maniry marefo indrindra (Sal. 90:5,6; Sal. 103:15,16). Kanefa feno asa manasatra sy alahelo ny fiainana na fohy toy izany aza (Sal. 90:10). Eny, na ny olon'izao tontolo izao izay tsy manam-pinoana an'Andriamanitra aza dia ory sy mitaraina noho ny hafohin'ny fiainana, indrindra manoloana ny mandrakizay izay fantany fa toa tsy ho hitany velively.

Ny Sal. 90 dia mampiseho fa miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny maha- Mpahary Azy, na eo aza ny toerana sarotra misy azy ireo. Efa fonenan'ny olony hatramin'ny taranaka rehetra ny Tompo (Sal. 90:1,2). Ny teny hebreo ma'on, izay nadika hoe: "fonenana" dia maneho ny Tompo ho toy ny fialofana sy fiarovana ho an'ny olony (Sal. 91:9).

Fehezin'Andriamanitra ny fahatezerany na dia ara-drariny aza, ary arotsany indray ny fahasoavany. "Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao araka izay tokony ho fahatahorana Anao?" - Sal. 90:11, hoy ny mpanao Salamo. Midika izany fa tsy mbola nisy olona nanandrana tamin'ny fahafenoany ny fikapoky ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny fahotana; koa misy fanantenana ho an'ny olona mba hahatongavany amin'ny fibebahana sy hahazoany fahendrena hoentiny miaina amim-pahamarinana.

Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny no amaritan'ny Baiboly ny atao hoe fahendrena fa fanomezana haja an'Andriamanitra koa. Ny fahaizana "manisa ny androntsika" no fahendrena ilaintsika (Sal. 90:12). Raha azontsika isaina ny androntsika dia midika izany fa voafetra ilay izy, ary fantatsika ny maha-voafetra azy. Ny miaina amim-pahendrena dia midika ho fahatsapana fa fohy tokoa ny fiainana, ary mitarika ho amin'ny finoana sy fankatoavana izany. Raha tsy amin'ny alalan'ny fibebahana (Sal. 90:8,12), ny famelan- keloka sy ny fiantran'Andriamanitra ary ny famindrampony (Sal. 90:13,14), dia tsy misy azo atao hahazoana fahendrena.

Ny tena olantsika dia tsy isika nohariana ho olombelona fa ny fahotana sy ny vokany manimba izao tontolo izao sy ny olona rehetra.

Soa ihany fa misy vahaolana nentin'i Jesôsy ho antsika (Jao. 1:29; Jao. 3:14-21), raha tsy izany dia tsy misy azontsika antenaina velively.

Na mihelina toy inona aza ny fiainantsika, inona ny toky ananantsika ao. amin'i Jesôsy? (Jereo ny Jao. 3:16.) Misy fanantenana hafa ho antsika ve ankoatra Azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal