Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMPITA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 29 April 2024

Vakio ny 2 Kôr. 4:1-6 sy ny 2 Kôr. 2:14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo ny amin'ny toky nananan'i Paoly na teo aza ireo olana natrehiny teo am-panambarana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra?

Tojo sakana lehibe maro i Paoly teo amin'ny asa fampielezany ny Filazantsara; na izany aza dia azony antoka fa handresy ny Tenin'Andriamanitra amin'ny farany, "fa" araka ny nambarany dia "tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa" - 2 Kôr. 13:8.

Niatrika fitsapana toy izany ireo mpanavao fivavahana; saingy nitoetra ho mahatoky tamin'ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana izy ireo. Ohatra amin'ny fananana herim-po manoloana ireo sakana toa tsy ho azo ihoarana i William Tyndale. Ny fanirian'i Tyndale lehibe indrindra dia ny hanome an'i Angletera dikanteny marina sy azo vakina amin'ny Baiboly. Nanapa-kevitra ny handika ny Baiboly avy amin'ny teny nanoratana izany izy ka hanitsy ireo fahadisoana sasany tao amin'ny fandikan-tenin'i Wycliffe 200 taona talohan'izao.

Nosamborina sy notsaraina koa i Tyndale nony farany. Maro tamin'ireo Baiboly nadikany sy natonta tany Worms, any Alemaina, no nalaina an-keriny sy nodorana ampahibemaso. Tany Belgique no nitsarana azy tamin'ny 1536. Voaheloka ho heretika izy ary ny fandorana azy eo amin'ny antontan-kitay no saziny. Nokendain'ireo mpamono azy izy raha nofatorana teo amin'ny antontan-kitay, ary avy eo nodorana ny fatiny. Izao no teny farany notononiny tamin-kafanam-po sy feo avo: "Tompo ô, sokafy ny mason'ny mpanjakan'i Angletera". Namaly ny vavak'i Tyndale tamim-pahagagana Andriamanitra.

Efa-taona taorian'ny nahafatesany dia dikan-teny anglisy amin'ny Baiboly miisa efatra no navoaka. Tamin'ny taona 1611 dia natonta pirinty ny dikan-tenin'ny Baiboly "King James" ary ampahany maro no niainga tamin'ny asan'i Tyndale. Niankina betsaka tamin'ny fandikan-teny anglisy nataon'i Tyndale voalohany ireo manam-pahaizana 54 izay nanao io asa io. Araka ny tombantombana dia ny 76% amin'ny fandikan-teny nataon'i Tyndale no hita ao amin'ny Testamenta Talohan'ny Baiboly "King James" tamin'ny taona 1611, ary 83% ao amin'ny Testamenta Vaovao. Tamin'ny taona 2011 dia nankalaza ny faha-400 taonany ny dikan-tenin'ny Baiboly "King James", ka efa maherin'ny iray lavitrisa ny isan'ny Baiboly voatonta tamin'io fotoana io. Olona an-tapitrisany maro teto amin'izao tontolo izao no voakasiky ny Baiboly, izay nadika tamin'ny tenim-pirenena miisa 2454. Tsy aim-bery maina ny an'i William Tyndale. Na sarotra toy inona aza ny toe-javatra dia natoky i Tyndale sy ireo mpiara-miasa aminy, mpino ny Baiboly fa nandamina ny zava-drehetra ho araka ny sitrapony Andriamanitra. Nitondra fiovana mandrakizay ny fiainan'i Tyndale.

Vakio ny Dan. 12:3 sy ny Apôk. 14:13. Nahoana no tena mifanaraka amin'ny fiainan'i Tyndale ireo andininy ireo? Saino indray ny amin'ny fiainanao manokana sy ny herinao miasa mangina amin'ny hafa. Inona ny fampaherezana omen'ireo andininy ireo anao momba ny fanananao tombontsoa mitaona ny hafa ho amin'ny mandrakizay? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal