Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMPITA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 29 April 2024

Vakio ny 2 Kôr. 4:1-6 sy ny 2 Kôr. 2:14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo ny amin'ny toky nananan'i Paoly na teo aza ireo olana natrehiny teo am-panambarana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra?

Tojo sakana lehibe maro i Paoly teo amin'ny asa fampielezany ny Filazantsara; na izany aza dia azony antoka fa handresy ny Tenin'Andriamanitra amin'ny farany, "fa" araka ny nambarany dia "tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa" - 2 Kôr. 13:8.

Niatrika fitsapana toy izany ireo mpanavao fivavahana; saingy nitoetra ho mahatoky tamin'ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana izy ireo. Ohatra amin'ny fananana herim-po manoloana ireo sakana toa tsy ho azo ihoarana i William Tyndale. Ny fanirian'i Tyndale lehibe indrindra dia ny hanome an'i Angletera dikanteny marina sy azo vakina amin'ny Baiboly. Nanapa-kevitra ny handika ny Baiboly avy amin'ny teny nanoratana izany izy ka hanitsy ireo fahadisoana sasany tao amin'ny fandikan-tenin'i Wycliffe 200 taona talohan'izao.

Nosamborina sy notsaraina koa i Tyndale nony farany. Maro tamin'ireo Baiboly nadikany sy natonta tany Worms, any Alemaina, no nalaina an-keriny sy nodorana ampahibemaso. Tany Belgique no nitsarana azy tamin'ny 1536. Voaheloka ho heretika izy ary ny fandorana azy eo amin'ny antontan-kitay no saziny. Nokendain'ireo mpamono azy izy raha nofatorana teo amin'ny antontan-kitay, ary avy eo nodorana ny fatiny. Izao no teny farany notononiny tamin-kafanam-po sy feo avo: "Tompo ô, sokafy ny mason'ny mpanjakan'i Angletera". Namaly ny vavak'i Tyndale tamim-pahagagana Andriamanitra.

Efa-taona taorian'ny nahafatesany dia dikan-teny anglisy amin'ny Baiboly miisa efatra no navoaka. Tamin'ny taona 1611 dia natonta pirinty ny dikan-tenin'ny Baiboly "King James" ary ampahany maro no niainga tamin'ny asan'i Tyndale. Niankina betsaka tamin'ny fandikan-teny anglisy nataon'i Tyndale voalohany ireo manam-pahaizana 54 izay nanao io asa io. Araka ny tombantombana dia ny 76% amin'ny fandikan-teny nataon'i Tyndale no hita ao amin'ny Testamenta Talohan'ny Baiboly "King James" tamin'ny taona 1611, ary 83% ao amin'ny Testamenta Vaovao. Tamin'ny taona 2011 dia nankalaza ny faha-400 taonany ny dikan-tenin'ny Baiboly "King James", ka efa maherin'ny iray lavitrisa ny isan'ny Baiboly voatonta tamin'io fotoana io. Olona an-tapitrisany maro teto amin'izao tontolo izao no voakasiky ny Baiboly, izay nadika tamin'ny tenim-pirenena miisa 2454. Tsy aim-bery maina ny an'i William Tyndale. Na sarotra toy inona aza ny toe-javatra dia natoky i Tyndale sy ireo mpiara-miasa aminy, mpino ny Baiboly fa nandamina ny zava-drehetra ho araka ny sitrapony Andriamanitra. Nitondra fiovana mandrakizay ny fiainan'i Tyndale.

Vakio ny Dan. 12:3 sy ny Apôk. 14:13. Nahoana no tena mifanaraka amin'ny fiainan'i Tyndale ireo andininy ireo? Saino indray ny amin'ny fiainanao manokana sy ny herinao miasa mangina amin'ny hafa. Inona ny fampaherezana omen'ireo andininy ireo anao momba ny fanananao tombontsoa mitaona ny hafa ho amin'ny mandrakizay? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal