Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRESY NY FAHAMARINANA

Daty
Alakamisy 09 May 2024

Na eo aza ireo famelezan'ny fahavalo dia hahatratra ny fetra ambony indrindra be voninahitra ny asan'Andriamanitra. Hotorina "amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" ny filazantsara (Apôk. 14:6). Hifarana amin'ny fandresen'i Kristy tanteraka ny herin'ny helo ny fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana. Handresy ny ratsy ny fanjakan'Andriamanitra ary ho foana mandrakizay eto amin'izao tontolo ary rehetra izao ny fahotana. Ny Apôk. 11 dia miantomboka amin'ny fiezahan'i Satana, tamin'ny alalan'ny Revolisiona frantsay, hamotika ny finoana kristianina sy hanafoana ny finoana an'Andriamanitra, saingy mifarana amin'ny fandresen'ny fanjakan'Andriamanitra ireo fanapahana sy ny herin'ny ratsy io toko io. Fampaherezana ho an'ireo rehetra mandalo fizahan-toetra mafy noho ny amin'i Kristy sy ny fahamarinany izany.

Vakio ny Apôk. 11:15-18. Araka ireo andininy ireo, inona ireo toe-javatra hisy amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, rehefa haneno ny trompetra fahafito?

Tonga fanjakan'ilay Tompontsika ireo fanjakana eto amin'ity tany ity. I Kristy no mpandresy. Resy ny ratsy. Mandresy i Jesôsy ary resy i Satana. Mandresy ny marina. Manjaka ny fahamarinana. Tsara ny hanarahantsika ity torolalana manaraka ity: "Na inona na inona aorina amin'ny fahefan'olombelona dia ho rava; fa izay rehetra miorina amin’ilay vatolampin'ny tenin'Andriamanitra tsy miova dia haharitra mandrakizay."- HM, t. 298.

Vakio ny Apôk . 11:19. Inona no hitan'i Jaona nisokatra tany an-danitra? Ary Inona no hitany rehefa niandrandra ny lanitra izy?

Nisokatra teo imason'i Jaona ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra. Nahita ny fiaran'ny fanekena izy rehefa nibanjina ny efitra masina indrindra. Tao amin'ny Fitoerana Masina ao amin'ny Testamenta Taloha izay mitovy amin'ny modely lehibe any an-danitra, ny fanatrehan'Andriamanitra be voninahitra dia naseho teo anelanelan'ireo sarin'anjely namboarina teo amin'ny rakotry ny fiaran'ny fanekena. Tao anatin'ny fiara no nisy ny lalan'Andriamanitra. Na dia vonjena amin'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny finoana irery ihany aza isika, ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra kosa dia maneho raha tena marina ny finoantsika. Ny lalàn'Andriamanitra no fototra na fenitry ny fitsarana (Jak. 2:12). Tonga manan-danja manokana sy mazava izany toe-javatra izany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao (jereo ny Apôk. 12:17; Apôk. 14:12).

Ahoana no ambaran'ny fifanoherana manaitra eo amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra tao anatin'ny Revolisiona frantsay sy ny fiafarana be voninahitra voalaza ao amin'ny Apôk. 11 amintsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal